Mahery ny Tenin'Andriamanitra ka manova antsika. Maro ireo andininy ao amin'ny Baiboly izay matetika henoina sady tena manan-kery manova ny fiainana mihitsy. Afaka manova ny fomba fisainantsika, ny fomba fiainantsika izy ireny. Andininy izay iezahantsika hianarana sy hampiharina isan'andro eo amin'ny fiainana. "Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'i Kristy izay mampahery ahy" (Filipiana 4:13). Io no iray amin'ireo andininy matetika henoina sy ampiasaintsika rehefa mahatsiaro ho reraka na ketraka isika.
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16). Io no iray amin'ireo andininy tena manan-danja indrindra, ary matetika no iray amin'ireo voalohany henoinao rehefa ampianarina momba an'i Jesosy Tompo. Maro dia maro ireo andininy hafa tena tsara ho fantarina, ary azonao jerena sy ianarana eto izy ireo.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny, ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.
Izay mahatam-bava no manana ny fahaizana, ary izay mihaminkamin-tsaina dia olona manan-tsaina.
Ny adala manampatra ny hatezerany rehetra, ny hendry kosa, manonona sy mahafehy azy.
Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany ka voa.
Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.
Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy. Nandalo ny sahan’ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala. Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy. Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao. Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena; nefa soa manan-tombo ny fahaizana, dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.
Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao; ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.
Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Izay hendry am-po mandray ny didy; fa ny adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.
Ny hendry matahotra, ka mivily tsy ho amin’ny ratsy; ny adala kosa mitroatra sy matokitoky foana.
Trano sy herana no lova amin’ny ray; fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.
Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako.
Anaka, aza manadino ny fanoroako, ary tanonao am-ponao ny didiko. Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao. Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany. Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra. Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia. Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra. Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy. Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana.
Ohabolan’i Salômôna. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampahory ny reniny.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan’ny adala mifahana fahadalana.
Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.
Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona; rano tondraka ny loharanon’ny fahendrena.
Miditra amin’ny fifandirana ny molotry ny adala; ary mihantsy fanalam-baraka, ny vavany. Fanimbana ho azy ny vavan’ny adala; ary fandrika amin’ny fanahiny ny molony.
Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.
Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.
Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.
Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady, ary ny mpanolo-tsaina maro no isian’ny famonjena.
Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.
Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao, ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany. Aza mahafoy azy fa harovany ianao; tiavo izy fa hitahiry anao.
Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao fa tano ny fahendrena amam-pisainana; fa aina ho an’ny fanahinao izany; ary haingo ho an’ny vozonao.
Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.
Ny fananarana indray maka manan-kery amin’ny manan-tsaina, noho ny kapoka zato amin’ny olona adala.
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
Ny vehivavy tsara fanahy, satroboninahitry ny lahy; fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin’ny taolany.
Ny fanantenana ela fiavy, mankarary ny fo; fa ny faniriana tanteraka kosa, dia hazon’aina.
Izay manarona ny hadisoana no mitady fihavanana; fa izay mampahatsiaro azy amin’ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.
Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.
Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?
Tanàna efa afaka ny fahavalo ka tsy misy manda, toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.
Raha tsy eo ny kitay, maty ny afo: halaviro ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.
Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin’izay; fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Ny mpifosa manambara ny zavatra afenina; fa ny olona mahatoky kosa, mitana izany tsy hiseho.
Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.
Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.
Aza mikambakambana amin’izay olona foizina, na miarakaraka amin’izay olona masiaka: fandrao mianatra ny lalany ianao, ka manomana fandrika ho an’ny fanahinao.
Anaka, raha hendry ny fonao, izaho koa, dia hifaly ny foko. Dia hientan-kafaliana ny kiboko, raha miteny izay marina ny molotrao.
Toy ny paoma volamena eo amin’ny ravaka voasikotra amin’ny volafotsy, ny teny atao amin’ny antony.
Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no mitarika ho amin’ny fiainana, ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.
Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina, fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.
Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany.
Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny ratsy ka miery; ny kely saina mandroso ihany ka voan’izany.
Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny; fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.
Ny asa rehetra mitera-piadanana; fa ny teniteny foana kosa, mamarina amin’ny tsy fahampiana.
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Ny manan-karena manapaka ny mahantra; ary ny misambotra, mpanompon’ny mpampisambotra.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Ny olona mahatoky, feno fanambinana, fa ny maimay hanan-karena, tsy hialàm-pahadisoana.
Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.
Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka, fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
Izay mitahiry ny aviaviny hihinana ny voany; ary izay miaro ny tompony homem-boninahitra.
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no loharanon’aina, mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.
Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy. Aza manao amin’ny namanao hoe: «Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome», raha azonao atao ny manome eo noho eo.
Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro. Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra.
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao, fa hitoetra mandrakariva amin’ny fahatahorana an’i Iaveh. Satria misy tokoa ny ho avy, ka tsy ho foana ny fanantenanao.
Avy amin’i Iaveh ny mizàna aman-delany mahiratra, asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana. Fahaizany no nivakian’ny hantsana, sy ampitetevan’ny rahona ny ando.
Ny vavolombelona mandainga, tsy ho afa-maina, ary izay milaza lainga koa, tsy ho afa-mandositra.
Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao. Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana hombàny kely akory; satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena. Anjaran’ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany. Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.