Tsara foana ny manana tenin'Andriamanitra na andininy ao am-po, na rahoviana na rahoviana. Mila miomana hatrany isika mba hizara fotoana amin'Andriamanitra sy amin'ireo manodidina antsika.
Mahatoky Andriamanitra ary namela andininy ho an'ny fotoana rehetra izy. Mampahatsiahy antsika Izy fa eo foana, na aiza na aiza alehantsika. Ary tanteraka ny teniny rehefa tsapantsika fa misy tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika isan'andro.
Hitanao hoe marina izany rehefa mahatsapa ianao fa miasa Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, na dia amin'ny zavatra kely aza. Tsarovy fa tsy irery ianao. Eo foana Andriamanitra, ary ny teniny no hery sy fitarihana ho antsika.
Anaka, henoy ny fampianaran-drainao, ary aza arianao ny fanoroan-dreninao, fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany, ary ravaka ho an’ny vozonao.
Ianareo zanaka, maneke ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny. Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo. Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny. Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina. Aza miraika, fa misikìna fahamarinana, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra; dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely, Manajà ny ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana, dia ny hoe: (izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eto am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho. Ary ny amin’ny hahalalanareo izay toetra sy ataoko atỳ, dia iny i Tisìko, havana malala, sady mpandraharaha mahatoky ao amin’ny Tompo, hampandre anareo ny zavatra rehetra; fa izany indrindra no nandefasako azy ho atỳ aminareo, ka dia sady handre ny toetranay ianareo, no halàny alahelo koa ny fonareo. Fiadanana anie ho an’ny havana iray finoana, ary fitiavana amam-pinoana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo! Fahasoavana anie ho an’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy lefy! mba hahita soa sy ho ela velona etỳ ambonin’ny tany ianao.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy foy izy.
Indro fa lova avy amin’i Iaveh ny zanaka; valisoa ny aloaky ny kibo miteraka. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mpiady, toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’izany, fa tsy ho menatra raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»
satroboninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanaka, ary voninahitry ny zanany ny rainy.
fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy,
Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra, ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao. Fehezo eo ambonin’ny fonao mandrakariva ireo, ary afatory eo amin’ny vozonao. Hitarika anao amin’izay halehanao, hiambina anao amin’ny torimasonao, ary hiresaka aminao amin’ny fifohazanao.
Maneke ny rainao, izy izay niteraka anao; ary aza manamavo an-dreninao, saingy efa antitra izy. Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana. Ravoravo ny rain’ny marina; izay miteraka ny hendry dia ho faly amin’izany. Aoka hifaly ny ray aman-dreninao; aoka hiravoravo ny reninao niteraka anao.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.
Ny vehivavy tsara fanahy, satroboninahitry ny lahy; fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin’ny taolany.
Ohabolan’i Salômôna. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampahory ny reniny.
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany. Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany. Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa. Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa, ao an-tokantranonao. Ny zanakao manahaka ny zanak’ôliva manodidina ny latabatrao. Toy izany no hitahiana ny lehilahy matahotra an’i Iaveh.
Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.
Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; ny tsora-kazon’ny famaizana no hanesotra izany aminy.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Faizo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy, sy hampahazo fifaliana ho an’ny fanahinao.
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.
Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.
Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ny lehilahy lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.
«Manajà ny ray aman-dreninao, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao, mba hohalavaina ny andronao sy ho sambatra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary; fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany; nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.
Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano, toy izay miara-monina amin’ny vehivavy tia ady.
Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.
Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy. Nandalo ny sahan’ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala. Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy. Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao. Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra; ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy. Maro ny zaza vavy miseho ho tsara fanahy, fa ianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.
Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.»
Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana, Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana. Raha mandeha ianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina. Tano ny fahalalana ka aza avela; raketo izy fa fiainanao. Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy. Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia ianao, dia mizora. Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona; Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozàna no fisotrony, Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro. Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy. fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
Tsaroako koa ny finoana tsy misy famahony ao anatinao, izay nitoetra tao amin’i Loisa renibenao taloha, dia tao amin’i Eônisa reninao indray, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izao.
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.
Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy,
Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza, Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo. Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa ianareo? Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory. I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy. Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy. Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana.
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony. Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana. mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.
Trano sy herana no lova amin’ny ray; fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.
Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.
Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Fa raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy kosa, dia aoka ho ireo aloha no hianatra hanaja ny fianakaviany, ka hamaly babena ny ray aman-dreniny, fa izany no sitrak’Andriamanitra.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena. Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny;
Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray, Izay angalàn’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.
Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Izay mitandrin-dalàna dia zanaka hendry, fa izay mamelona ny mpijangajanga manome henatra an-dreniny.
Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hahaizako mamaly an’izay miteny ratsy ahy.
Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava. Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.
Aleloia! Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh, izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny. Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika, mihidy vazana ary hanin’ny fialonana: ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy. Hahery ambonin’ny tany ny taranany; hambinina ny taranaky ny marina.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany; fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Hampitomboin’i Iaveh anie ny fanambinany anareo, dia ianareo sy ny zanakareo! Hitahy anareo anie i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany!
Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao, na mamela azy hiala amin’ny fonao, na dia indray andro amin’ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.
Izay tia ny fahendrena, mahafaly ny rainy, fa izay fatra-piaraka amim-behivavy janga, mandany ny hareny.
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny, toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.
Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva.
Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo. Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra. Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny, satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza; fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rehefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy. Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo. Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo. Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina. Aza miraika, fa misikìna fahamarinana, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin’ny molony, dia ho sakaizan’ny mpanjaka.
Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.