Mila mahataka tsara sy manaiky ianao fa tonga lafatra ny fotoan’Andriamanitra, ary ny zavatra rehetra nangatahinao taminy dia ho tanteraka amin’ny fotoany. Matetika isika maika loatra eo amin’ny fiainana, vesaran’ny tebiteby sy ny fanahiana satria tiantsika ho haingana ny zava-drehetra, nefa efa nolazain’Andriamanitra mazava tsara ao amin’ny teniny fa samy manana ny fotoany ny zavatra rehetra, koa mialà sasatra kely ary miantehera amin’ny Rainao any an-danitra. Tonga amin’ny fotoana tokony ho izy ny zava-drehetra, amin’ny toerana sy ny fotoana mety.
Tokony ho takatsika fa tsy mitovy ny fotoanantsika sy ny an’Andriamanitra, ny fotoan’Andriamanitra anefa dia antsoina hoe "kairos", izay midika hoe fotoana mety tsara, fotoana tsara, voatendry ary marina. Ny "kairos" dia manondro ny fotoana efa voafaritra any an-danitra izay haseho ety an-tany mba hitahiana antsika. Tsy ho tara mihitsy Andriamanitra, matokia Azy ary andraso ny fahatanterahan’izay zavatra irianao fatratra.
Rehefa miantehera amin’Andriamanitra ianao dia maneho ny finoanao sy ny fatokisanao ny teniny.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Aoka àry ianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra, fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.
Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Tsara fo i Iaveh amin’izay manantena Azy, amin’ny fanahy mitady Azy. Tsara ny miandry amim-panginana, ny famonjen’i Iaveh.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!... Manantenà an’i Iaveh! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà an’i Iaveh!
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany. Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra. Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh, ary mamonjy izay rera-panahy Izy.
Mangataka aminareo koa izahay, ry kristianina havana: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita; fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.
Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa, Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny.
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.
Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.
Iaveh ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina, sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa,
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy. I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany. Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy. maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao! Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Aza mety havilin’ny fampianarana samihafa ianareo; fa aleo mampiorina ny fo amin’ny fahasoavana, toy izay amin’ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy.
Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»
ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Fa hoalofany ao amin’ny fonenany aho amin’ny andron’ny fahoriana; hanafina ahy amin’ny fiafenana ao an-dainy Izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy Izy.
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.
Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.
Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.
ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona. Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahin’ny foko.
Tohano araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako.
Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin’ny fanaovan-tsoa, ho Azy Mpahary tsy mivadika.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Na dia izay olona sakaizako aza, izay nitokiako sy nihinana ny haniko, dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.» Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy. Ny hahafantarako fa tia ahy Ianao, dia raha tsy resin’ny fahavaloko aho. Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy Ianao, ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao. Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, amin’ny taona mandrakizay rehetra! Amen! Amen! Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. Miaraha miravoravo amin’ny olony, ry Jentily, mbamin’ny hoe: Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra. Hoy koa i Izaia: Hisy solofon’i Jese, izay hitsangana hifehy ny Jentily; Izy no hitokian’ny firenena rehetra. Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa. Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina. Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra. Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, mba hampanaiky ny Jentily, na tamin’ny teny aman’asa, na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria; Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.
Raha tsy ny lalànao no nataoko fahafinaretako, dia efa maty tamin’ny fahoriako aho toy izay.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany. Novany ho tsotso-drivotra malemy ny tafio-drivotra, dia nangina ny onjan-dranomasina. sy nangoniny avy any amin’ny tany rehetra, avy any atsinanana sy andrefana, avy any avaratra sy any amin’ny ranomasina. Nifaly izy ireo nahita ireo nitony, ary nentin’i Iaveh, ho amin’ny fitodiana niriny izy.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa,
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Aza manao hoe: «Hamaly ratsy ny nataony aho», fa manantenà an’i Iaveh, dia hamonjy anao Izy.
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa. Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alàna alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.
Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Raha tsy i Iaveh no vonjiko, dia halaky mitoetra any amin’ny fonenan’ny fanginginana ny fanahiko. Raha vao milaza aho hoe: «Mangozohozo ny tongotro», dia tohanan’ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.