Ry namako, misy tantara maro ao amin'ny Baiboly mitranga vao maraina ny andro, tantara tsy hay hadinoina nosoratry ny Fanahy Masina mba hampianarana antsika ny herin'ny ady ara-panahy mandritra ny fiambenana. Tian'Andriamanitra hamantatra isika fa tsy mitovy ny mivavaka amin'ny andro antoandro sy ny amin'ny alina, indrindra amin'ny maraina. Mila mandinika izay asehon'ny Fanahy amintsika isika, araka ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra.
Efesiana 6:18 (DIEM) mananatra antsika hivavaka amin'ny fotoana rehetra amin'ny vavaka sy ny fifonana rehetra ao amin'ny Fanahy, ary miambina amin'izany amin'ny faharetana rehetra sy ny fifonana ho an'ny olona masina rehetra. Ny fiambenana dia midika hoe mijanona tsy matory mandritra ny alina (na ampahany amin'ny alina). Midika koa hoe miambina toy ny mpiambina amin'ny alina. Amin'ny heviny mivelatra kokoa, ny fiambenana dia mampahatsiahy antsika fa tokony ho mailo sy hiambina isika ato anatin'ity alina ara-panahy iainan'izao tontolo izao ity.
Rehefa ao anatin'ny fahoriana isika, dia tokony hiambina ihany koa mba hitady ny fampiononana avy amin'Andriamanitra: "Mitsangàna, miantsoa amin'ny alina, eo am-piandohan'ny fiambenana; Araraka tahaka ny rano eo anatrehan'i Jehovah ny fonao; Asandrato aminy ny tananao." (Fitomaniana 2:19).
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»
Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy.
Ny feon’ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo, miara-mihoby an-kafaliana, satria hitany maso ny fiverenan’i Iaveh ao Siôna.
Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida. Fony i Saola naniraka hiambina ny tranony , hamonoany azy.
Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò; fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
Fa ianao kosa, malìna amin’ny zavatra rehetra, miareta amin’ny fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao.
Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rehefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona; fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany; sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.
Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy.
ary nilaza taminy hoe: «Nahoana no matory ianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana.
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna! Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao.
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny ratsy ka miery; ny kely saina mandroso ihany ka voan’izany.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
«Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‹Tompoko, tompoko, vohay izahay.› Fa hoy ny navaliny azy: ‹Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo›. Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.» «Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony. Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: ‹Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho›. Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›. Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: ‹Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho›. Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›. Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: ‹Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahàfanao. Ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao›. Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: ‹Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahàfako: koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy omban-janany. Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo an’ilay manana talenta folo; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza. ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony.
izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika.
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin’ny lalany, izay mandeha araka ny lalàn’i Iaveh. Mitady Anao amin’ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao. Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao. Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny didinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako. Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho. Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako. Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin’izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao. Tonga amin’ny fara fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao. Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao. Hatenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho. Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao. Mamela-pandrika hamelezana ahy ny ratsy fanahy, nefa tsy mania lavitra ny didinao aho. Ny fampianaranao no ananako mandrakizay mba ho lova, fa fifalian’ny foko izy. Nandraika ny foko hitandrina ny didinao aho, mandrakizay, hatramin’ny farany. Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho. Fialofako sy ampingako Ianao mitoky amin’ny teninao aho. Mialà amiko ianareo ratsy fanahy, dia hitandrina ny didin’Andriamanitra aho. Tohano araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako. Aoka ho tohako Ianao, dia ho voavonjy aho, ka ho eo imasoko mandrakariva ny lalànao. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny. Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao. Hisaorana anie Ianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho. Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsarànao aho. Manaraka ny rariny sy ny fahamarinana aho; aza dia afoinao ho an’ny mpampahory ahy aho. Aoka Ianao hiantoka ny fananan’ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorin’ny mpiavonavona aho. Valalanina ny masoko miandry ny famonjenao, sy ny fampanantenanao ny fitsarana marina. Ento araka ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, ary ampianaro ny lalànao aho. Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao. Fotoana tokony hiraharahan’i Iaveh izao, fa mandika ny lalànao izy ireo. Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio. Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny lalam-pitaka rehetra. Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko. Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny Vavanao. Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra. Atanatànako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kiteny ny didinao aho. Atodiho ahy ny Tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an’izay tia ny Anaranao. Afikiro amin’ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko. Afaho amin’ny fampahorian’ny olombelona aho, dia hitandrina ny didinao. Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ny lalànao aho. Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànao. Marina Ianao, ry Iaveh, ary araka ny rariny ny fitsarànao. Namoaka ny fampianaranao Ianao araka ny rariny, sy ny fahamarinana lavorary. Mandritra aina ahy ny fahazotoako, satria manadino ny teninao ireo mpanohitra ahy. Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra. Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao. Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana. Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako. Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona. Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao. Miantso Anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao. Alohan’ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho. Mialoha ny fiambenan’alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao. Henoy araka ny hatsaram-ponao ny feoko; velomy aho indray, ry Iaveh, araka fandaharanao. Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin’ny lalanao. Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin’ny lalànao. Akaiky Ianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao. Efa fantatro ela ny amin’ny fampianaranao, fa naorina ho mandrakizay izy. Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho. Arovy aho amin’ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao. Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao. Maro ny mpanenjika ama-mpandrafy ahy; tsy mba mihataka amin’ny fampianaranao aho. Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny. Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao. Ataoko fifaliana ho ahy ny lalànao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao. Enjehi-mpanjaka tsy ahoan-tsy ahoana aho; ny teninao no hany atahoran’ny foko. Mifaly amin’ny teninao aho, hoatra ny mahazo babo be. Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho. Midera Anao impito isan’andro aho, noho ny lalàn’ny fahamarinanao. Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy. Manantena ny famonjena aho, ry Iaveh, ary manaraka ny didinao. Mitandrina ny fampianaranao ny fanahiko, ary miraiki-pitia amin’izany izy. Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny lalako. Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho. Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao, mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao. Ho tonga hatrany aminao anie fifonako, afaho araka ny teninao aho. Hamoaka fiderana Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao. Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao. Hivelatra hamonjy ahy anie ny tananao; fa efa nifidy ny fandaharanao aho. Maniry ny famonjenao aho, ry Iaveh ô, ary ny lalànao no fahafinaretako. Ho velon-kidera Anao anie ny fanahiko, ary ho avy hamonjy ahy ny fitsarànao. Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho. Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao. Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao. Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin’ny fony rehetra,
Aoka ny masonao hahitsy fijery, ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao. Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra. Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin’ny ratsy ny tongotrao.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Ho fantatra any amin’ny tanin’ny haizina va ny fahagaganao, ary any amin’ny tany fanadinovana, ny fahamarinanao?
Ka hoy Izy tamin’ireo: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.»
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
«Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»
Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra, fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.
Ny fon’izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin’ny lalànao.
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny. Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery?
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanasiana tombokase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.
Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany, sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo. Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana hitorianay teny, sy hanambaràko ny zava-miafina ny amin’i Kristy, izay hany ifatorako izao,
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika! Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.