Mahafinaritra ahy ny mizara aminao ity zavatra ity. Fantatro fa tena manampy antsika ny mitadidy andinin-tSoratra Masina. Ho vonona kokoa isika amin'ny zava-drehetra atrehina, na inona na inona mitranga. Rehefa ao am-pontsika mantsy ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny fitaovam-piadiana mahery vaika ananantsika.
Ahoana no atao? Tsotra ihany! Isan'andro dia miezaha mitadidy andininy na andalana vitsivitsy. Eritrereto hoe toy ny manangona harena sarobidy ao an-tsainao izany. Alaivo sary an-tsaina ange hoe: afaka mizara andinin-tSoratra Masina momba ny fitiavan'Andriamanitra ianao rehefa miresaka amin'ny namanao. Na koa tadidinao tampoka ny andininy iray momba ny faharetana rehefa voatery miandry ela ianao. Tsy mahagaga ve izany?
Aza manahy raha toa ka tsy mora amin'ny voalohany. Ny fahazarana no hanao azy. Kely fotsiny isan'andro dia ho hitanao fa mora kokoa ny mitadidy ny Tenin'Andriamanitra rehefa tena ilainao azy. Tadidio ny voalaza ao amin'ny Josoa 1:8 hoe: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny; fa raha izany no ataonao, dia hahalavorary ny lalanao hianao, ary dia hambinina.”
Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena; nefa soa manan-tombo ny fahaizana, dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
«Iza no tadiaviny hampianarina fahendrena, ary zovy no tadiaviny hamoasana ny fianarana? Ny zaza vao notazana, vao mitsaha-nono va?
Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan’ny adala mifahana fahadalana.
Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina. Ary izay mbola ronono no ivelomany, dia tsy mahazaka ny tenim-pahamarinana, satria mbola zaza. Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.
Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra ianao. Fa ny manampy manampy boky ihany, tsy hisy farany; ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.
Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny. Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Milaza fahendrena ny vavan’ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany, ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra.
Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina; ary ny hamamian’ny molotra mampitombo ny fahalalana.
mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany.
Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa.
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Ny didinao rehetra dia fahamarinana; mpanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy ireo: vonjeo aho.
Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.
Ny mason’ny mahiratra tsy hohajambaina intsony, ny sofin’ny malady, hihaino tsara, ny fon’ny maivan-doha, halaky mahazo an-tsaina; ny lelan’ny mikodedidedika, hahay miteny mazava.
Raha ny marina no mamely ahy, tombon-tsoa ho ahy izany; raha izy no mananatra ahy, diloilo manitra eo an-dohako izany, ka tsy holavin’ny lohako, fa amin’izay ny fivavahako no hany hanoherako ny hevi-dratsin’ireny.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ny hendry, omen’ny fahendrena hery, mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
eny, raha miantso ny fahamalinana ianao, ka manandra-peo amin’ny fahafantarana, raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra; dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an’i Iaveh, ary ho hitanao amin’izany ny fahalalana an’Andriamanitra.
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana, izay narahin’ny sasany ka nampihataka azy tamin’ny finoana. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana!
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy; fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Ny tsora-kazo amam-pamaizana mampahazo ny fahendrena, fa ny zaza ampanaranina, manome henatra ny reniny.
Satria rehefa be fahendrena, be alahelo koa; ary izay mampitombo ny fahaizany, mampitombo ny fahoriany koa.
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry. Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy»;
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ilay mpanompon’i Iaveh, Davida, izay nanao ny tenin’izao tononkira izao tamin’i Iaveh, tamin’ny andro nanafahan’i Iaveh azy tamin’ny fahavalony rehetra, sy tamin’i Saola. Hoy izy:
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Tsy hisy olona hahatohitra anao amin’ny andro rehetra hiainanao: tahaka ny nombako an’i Môizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao Aho na handao anao.»
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!