Andininy ao amin’ny Baiboly

dokam-barotra


Sokajy Kely

150 Andinin-teny ao amin’ny Baiboly momba ny Matokia ny drafitr’Andriamanitra


Jeremia 29:11

Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 3:5-6

Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany.

Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.

Chapter    |  dikan
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:5

Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;

Chapter    |  dikan
Isaia 55:8-9

Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. -

Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 46:10

Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.

Chapter    |  dikan
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.

Chapter    |  dikan
Salamo 27:14

Manantenà an’i Iaveh! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà an’i Iaveh!

Chapter    |  dikan
Romana 12:2

Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

Chapter    |  dikan
Efesiana 1:11

Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,

Chapter    |  dikan
Salamo 33:11

Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 32:8

Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.

Chapter    |  dikan
Filipiana 1:6

sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 16:9

Ny fon’ny olona no misaina izay halehany, fa i Iaveh ihany no mitondra ny diany.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:23-24

I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany.

Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.

Chapter    |  dikan
Isaia 26:3-4

Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.

Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.

Chapter    |  dikan
Joba 42:2

«Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:6-7

Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.

Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

Chapter    |  dikan
1Petera 5:7

apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 23:1-3

Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;

mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.

Chapter    |  dikan
Salamo 138:8

Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!

Chapter    |  dikan
1Korintiana 2:9

fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»

Chapter    |  dikan
Isaia 40:31

Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Chapter    |  dikan
Romana 5:3-5

Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,

ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;

ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
1Petera 1:6-7

Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,

ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.

Chapter    |  dikan
Jaona 14:1

Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 4:17-18

Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;

fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

Chapter    |  dikan
Matio 6:33

Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 5:7

(satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),

Chapter    |  dikan
Salamo 34:10

Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny, fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.

Chapter    |  dikan
Matio 11:28-30

Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.

Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;

hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?»

fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:13

Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.

Chapter    |  dikan
Isaia 43:2

Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.

Chapter    |  dikan
Salamo 18:30

Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.

Chapter    |  dikan
Efesiana 3:20

Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,

Chapter    |  dikan
Romana 15:13

Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan
Jeremia 17:7-8

Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh, sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!

Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

Chapter    |  dikan
Jaona 10:10

Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

Chapter    |  dikan
Salamo 62:8

Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.

Chapter    |  dikan
1Tesaloniana 5:16-18

Mifalia mandrakariva;

mivavaha lalandava;

ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 9:10

I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna, fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana.

Chapter    |  dikan
Hebreo 10:23

Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.

Chapter    |  dikan
Salamo 91:1-2

Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.

Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.

Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra:

ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao.

Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.

Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.

Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.

Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»

Chapter    |  dikan
Matio 19:26

Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»

Chapter    |  dikan
Ohabolana 19:21

maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.

Chapter    |  dikan
Salamo 31:14-15

Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko.

Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao.

Chapter    |  dikan
Jakoba 1:2-4

Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,

Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra.

Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,

Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra:

vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny.

Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany.

Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.

Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.

satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.

Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.

Chapter    |  dikan
Isaia 40:29-31

Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.

Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!

Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo.

Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Chapter    |  dikan
Hebreo 12:2

mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 27:1

Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?

Chapter    |  dikan
1Petera 4:19

Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin’ny fanaovan-tsoa, ho Azy Mpahary tsy mivadika.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:105

Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako.

Chapter    |  dikan
Hebreo 13:5-6

Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;

ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?

Chapter    |  dikan
Romana 8:31

Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

Chapter    |  dikan
Salamo 40:5

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.

Chapter    |  dikan
Efesiana 1:18-19

ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,

ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiàsan’ny heriny tsitoha.

Chapter    |  dikan
Romana 8:38-39

Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,

na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

Chapter    |  dikan
Salamo 56:3-4

mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko.

Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.

Chapter    |  dikan
1Jaona 5:14-15

Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.

Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.

Chapter    |  dikan
Salamo 121:1-2

Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?

Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan
2Timoty 1:7

Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.

Chapter    |  dikan
1Jaona 4:4

Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan
Isaia 30:15

Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»

Chapter    |  dikan
Romana 14:8

fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:7

Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.

Chapter    |  dikan
Matio 6:25-27

Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana?

Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?

Chapter    |  dikan
Salamo 25:4-5

Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho.

Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.

Chapter    |  dikan
Hebreo 11:1

Ary ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon’ny zavatra tsy hita.

Chapter    |  dikan
Isaia 12:2

Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»

Chapter    |  dikan
Romana 11:33

Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!

Chapter    |  dikan
Salamo 103:19

Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.

Chapter    |  dikan
Isaia 25:1

Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.

Chapter    |  dikan
Salamo 91:14-15

Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.

Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.

Chapter    |  dikan
Joba 5:8-9

Raha izaho ianao, Andriamanitra no hotodihiko, any aminy no handefasako ny fivavahako.

Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy, zava-mahagaga tsy tambo hisaina.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:28

Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:19

Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.

Chapter    |  dikan
Romana 16:25-27

Ary ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,

fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay; ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana

dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

Chapter    |  dikan
Salamo 48:14

Jereo tsara ny mandany; diniho ireo lapany, hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.

Chapter    |  dikan
Efesiana 1:17-18

mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;

ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,

Chapter    |  dikan
Ohabolana 20:24

I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona; ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?

Chapter    |  dikan
Salamo 73:24

hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 138:3

Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.

Chapter    |  dikan
Hebreo 13:8

i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Chapter    |  dikan
Salamo 42:11

Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,

Chapter    |  dikan
1Korintiana 10:13

Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.

Chapter    |  dikan
Fitomaniana 3:22-23

Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.

Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!

Chapter    |  dikan
Hebreo 6:19

Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,

Chapter    |  dikan
Salamo 111:7-8

Rariny amam-pahamarinana ny asan’ny tanany, tsy mety miova ny didiny rehetra.

Voaorina mafy ho mandrakizay ireny, fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana.

Chapter    |  dikan
Jaona 15:5

Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 63:8

Fa Ianao no vonjiko, ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.

Chapter    |  dikan
Deoteronomia 31:8

Fa i Iaveh no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.»

Chapter    |  dikan
Filipiana 3:13-14

Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako;

mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,

Chapter    |  dikan
Lioka 12:22-24

Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian’ny vatanareo;

fa ambony noho ny hanina ny aina, ary mihoatra noho ny fitafiana ny tena.

Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Chapter    |  dikan
2Petera 3:9

Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.

Chapter    |  dikan
Salamo 57:2

Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.

Chapter    |  dikan
Efesiana 2:10

Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 16:3

Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao; dia ho vanona ny fikasanao.

Chapter    |  dikan
Isaia 54:10

Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:34

Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.

Chapter    |  dikan
Filipiana 2:13

fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.

Chapter    |  dikan
Matio 7:7-8

Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana;

fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.

Chapter    |  dikan
Romana 8:18

Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 64:8

Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!

Chapter    |  dikan
Salamo 42:5-6

Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!

Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy, izay famonjena ny tavako sy Andriamanitro!

Chapter    |  dikan
Romana 8:24-25

Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?

Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.

Chapter    |  dikan
2Timoty 4:18

Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:4

I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.

Chapter    |  dikan
Romana 8:15-16

Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!

Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:8-9

Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.

Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

Chapter    |  dikan
Hebreo 4:16

Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 27:13

Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!...

Chapter    |  dikan
1Tesaloniana 5:24

Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany.

Chapter    |  dikan
Isaia 41:13

Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»

Chapter    |  dikan
Salamo 63:1

Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà .

Chapter    |  dikan
Jaona 16:33

Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.

Chapter    |  dikan
Isaia 32:17-18

Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.

Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.

Chapter    |  dikan
Romana 5:3-4

Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,

ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;

Chapter    |  dikan
Salamo 125:1

Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.

Chapter    |  dikan
1Petera 1:3-4

Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,

hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,

Chapter    |  dikan
Salamo 55:22

Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.

Chapter    |  dikan
1Korintiana 2:5

mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.

Chapter    |  dikan
Salamo 94:19

Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

Chapter    |  dikan
Hebreo 6:10

Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.

Chapter    |  dikan
Isaia 50:10

Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!

Chapter    |  dikan
Romana 5:5

ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 20:4

Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny sorona dorana! - Selà

Chapter    |  dikan
Ohabolana 14:26

Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.

Chapter    |  dikan
1Korintiana 1:9

Eny, mahatoky Andriamanitra Izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 49:15-16

Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!

Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

Chapter    |  dikan
Jaona 15:16

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.

Chapter    |  dikan
Romana 10:17

Koa avy amin’ny toriteny ny finoana; ary avy amin’ny tenin’i Kristy no toriteny.

Chapter    |  dikan
Salamo 143:8

ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.

Chapter    |  dikan
1Korintiana 13:13

Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Chapter    |  dikan
Kolosiana 1:27

dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 138:7

Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.

Chapter    |  dikan
Efesiana 6:10

Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 63:7-8

Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.

Fa Ianao no vonjiko, ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.

Chapter    |  dikan
Jakoba 1:12

Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 18:2

Tiako Ianao, ry Iaveh heriko!

Chapter    |  dikan
Filipiana 3:20-21

Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,

Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan
Isaia 46:4

Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»

Chapter    |  dikan
2Korintiana 1:3-4

Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,

Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.

Chapter    |  dikan
Salamo 62:1-2

Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida.

Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.

Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.

Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana.

Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao.

Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.

Chapter    |  dikan
Salamo 86:7

Miantso Anao amin’ny andron’ny fahoriako, aho, ka hamaly vavaka ahy, Ianao.

Chapter    |  dikan
Matio 28:20

ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»

Chapter    |  dikan
Romana 6:4

Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.

Chapter    |  dikan
Isaia 44:8

Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»

Chapter    |  dikan
1Tesaloniana 3:13

Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.

Chapter    |  dikan