eny, raha miantso ny fahamalinana ianao, ka manandra-peo amin’ny fahafantarana, raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra; dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an’i Iaveh, ary ho hitanao amin’izany ny fahalalana an’Andriamanitra.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an’i Iaveh isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. - Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy;
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Koa mihavàna amin’Andriamanitra, dia mionòna ianao, fa izany no hiverenan’ny fiadanana aminao.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.»
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy, Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe: «Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!» Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany; sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy. Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza. Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo, ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olomasina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny, sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.
Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsaràny;.
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena,
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao; tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida. Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy. Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro. Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe. Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako, mbamin’ny fitiavan’ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra.
Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
Homeko fo hahalalany Ahy izy, hahafantarany fa i Iaveh Aho; ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako. Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tahirizinao ao anatinao; aoka hipetraka eo amin’ny molotrao avokoa izy! Mba hianteheran’ny fitokianao amin’i Iaveh, dia ianao no tiako hotoroana izao.
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Koa aoka hapetratsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’izay lavorary kokoa isika, dia ny tsy haverintsika indray ireny foto-kevitra fanorenana ireny: dia ny fibebahana miala amin’ny asa maty, ny finoana an’Andriamanitra,
Hoy ny feoko, milaza ny teny avy aminao: «Tadiavinareo ny Tavako»; mitady ny Tavanao aho, ry Iaveh.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono. Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy. Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka. Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery. Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany, ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra, sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.
Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.
Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho satria ny fampianaranao no fisaintsainako.
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,
Satria zovy àry no nahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy? Fa isika manana ny hevitr’i Kristy.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre, izay nenti-ko babo tany Babilôna.
Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina, fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.
Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,