Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany. Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao. Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny, fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh, sy manantena an’i Iaveh ho tokiny! Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko. Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin’ny fanaovan-tsoa, ho Azy Mpahary tsy mivadika.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina, ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiàsan’ny heriny tsitoha.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Raha izaho ianao, Andriamanitra no hotodihiko, any aminy no handefasako ny fivavahako. Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy, zava-mahagaga tsy tambo hisaina.
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ary ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay, fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay; ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona; ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?
hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony. Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Rariny amam-pahamarinana ny asan’ny tanany, tsy mety miova ny didiny rehetra. Voaorina mafy ho mandrakizay ireny, fa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Fa i Iaveh no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.»
Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian’ny vatanareo; fa ambony noho ny hanina ny aina, ary mihoatra noho ny fitafiana ny tena. Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety! Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy, izay famonjena ny tavako sy Andriamanitro!
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.
Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany. Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!...
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay. Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.
Eny, mahatoky Andriamanitra Izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao! Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina. Fa Ianao no vonjiko, ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.