Raha tena mifanena amin'Andriamanitra marina tokoa ianao, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo, dia ho akaiky kokoa ny fahamarinana. Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 14.6 hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Ao amin’ny Fanahy Masina no itoeran’ny fahamarinana tanteraka.
Matetika isika mihevitra fa marina foana izay lazaintsika, ka miraikitra amin’ny hadisoana. Kanefa mampianatra antsika ny Baiboly fa ny Fanahy Masina no hitarika antsika ho amin’ny fahamarinana rehetra. Ny feony no hitarika antsika ho amin’ny làlana tsara, tsy amin’ny fisalasalana na ny zavatra mihelina, fa ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Tian’Andriamanitra hahomby ianao amin’ny alalan’ny fahamarinany. Hiezaka hamitaka sy hampisavoritaka anao ity tontolo ity, amin’ny fampisehoana lalana toa mety nefa làlan’ny fahafatesana. Hitahiry anao hiala amin’ny didin’Andriamanitra sy ny fitsipiny izy, kanefa Andriamanitra milaza aminao anio mba hahafantaranao ny fahamarinany hahafahanao marina tokoa.
Ny fahafantarana ny hevitr’Andriamanitra momba anao, izay voasoratra momba ny fiainanao ao amin’ny teniny, no hanafaka anao amin’ny laingan’ny fahavalo. Na dia manolotra fahamarinana voaolona aza izy mba hahatonga anao hahatsiaro ho tsinontsinona, i Jesosy Kristy kosa, amin’ny fahamarinany, dia milaza aminao fa noho ny sorona nataony dia afaka ianao ary mpiara-mandova aminy, ka mahatonga anao ho zanak’Andriamanitra.
Ny fahamarinana tanteraka izay ilain’ny fanahinao mba hiorenana dia izay nolazain’Andriamanitra momba anao hatramin’ny taloha indrindra. Avelao ny Fanahy Masina hitarika anao amin’ny fahamarinana rehetra dia ho hitanao ny voninahiny eo aminao.
Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan’ny olona;
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao, dia hitarika ahy anie izany, ka hitondra ahy ho any amin’ny tabernakla aman-tendrombohitrao masina.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,
Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra.
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao.
Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,
Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho, tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe: Aoka hitady foana anie ianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.»
fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra araka ny Soratra Masina hoe: «Mba ho marina ianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara».
sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian’ny olon-drehetra eo anatrehan’Andriamanitra izahay.
Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô!
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
Efa nihazakazaka tsara ianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Mahitsy ny fandidian’i Iaveh, ka mahafaly ny fo; madio ny didin’i Iaveh, ka mampahazava ny maso.
Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Fa lehibe ny hatsaram-pony amintsika, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinan’i Iaveh. Aleloia!
Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.
Aza esorina amin’ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana, fa ny didinao no antenaiko.
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.› »
Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina ho any aminy izy ireo nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao, ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan’olona ianao.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Tsy nety nanaraka ny hevitr’izy ireo mihitsy anefa izahay, na dia tapak’andro kely aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny Evanjely eo aminareo.
Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao. Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana hombàny kely akory; satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena. Anjaran’ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany. Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Taminao irery ihany no nanotako; nanao izay ratsy eo imasonao aho, mba ho hitan’ny olona fa marina Ianao amin’ny teny fitsaranao.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Ho an’izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an’i Israelin’Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po!
Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa ny hampandroso ny marina ihany.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Voazaha toetra tamin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra; ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,
Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny, toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: «Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.»
Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra, mitampi-maso tsy hahita ny ratsy; izany no honina any amin’ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.
Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.
Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,
Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana; Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.
Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.