Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jakoba 1:18 - Baiboly Katolika

18 Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny tenin’ny fahamarinana mba ho isika no santatry ny zavatra noforoniny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Sitrapon’Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin’ny samy zavaboaariny isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Sitrapon’Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin’ny samy zavaboaariny isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 1:18
24 Rohy Ifampitohizana  

Fahizany i Israely dia ilay zavatra voatokana ho an’i Iaveh, dia ilay voaloham-bokany, ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka, ka nozoin-doza, - teny marin’i Iaveh. -


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.


Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena, ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!


ka tsy mba nateraka avy amin’ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin’Andriamanitra.


araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao, eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.


Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.


toriteny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;


mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.


Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,


Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.


ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,


Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.


Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.


Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina.


fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa amin’ny voa tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,


Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra, sady nateraka avy amin’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.


Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra