Indray andro ange, eritrereto hoe misy tontolo tsy hita maso, tena misy kokoa noho izao tontolo iainantsika izao. Andriamanitra no namorona ny zavatra rehetra hita maso avy amin’ny tsy hita maso.
Ao amin'ny Kolosiana 1:16 (DIEM) no ahitantsika hoe: "Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany." Misy anjely mipetraka any amin’io tontolo ara-panahy io, ary nandray anjara tamin’ny fanatanterahan’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny olombelona izy ireo.
Betsaka ny olona resahina ao amin’ny Baiboly no efa nihaona tamin’ny anjely, ary indraindray aza dia miseho amin’ny endrika olombelona izy ireo ka tsy fantatry ny olona akory. Hoy ny Hebreo 13:2 (DIEM): "Aza mankady vahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany." Tafiky ny lanitra ny anjely, manana hery lehibe izy ireo ary afaka mampita ny hafatr’Andriamanitra.
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy hanaiky ny hivavahana mihitsy ny anjelin’Andriamanitra, fa tsy tahaka ny anjely ratsy izay mitady handroba ny voninahitra izay an’Andriamanitra irery ihany. Ny teolojia dia mampianatra fa ny ampahatelon’ny anjely no voafitaky ny fahavalo, izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe demonia, zava-misy tsy azo lavina izany.
Noho izany, misy anjelin’Andriamanitra, ary misy koa anjely lavo izay lasa fanahy ratsy sy maloto. Kanefa, zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny anjelin’Andriamanitra dia eo amin’ny fanompoantsika, ary misy fampanantenan’Andriamanitra ho antsika tsirairay avy. Araka ny voalazan’ny Salamo 34:7 (DIEM): "Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy." Ary ao amin’ny Hebreo 1:14 (DIEM) dia manontany antsika hoe: "Moa tsy fanahy manompo avokoa va ny anjely rehetra, izay irahina hanompo ho an'izay handova famonjena?"
Raha matahotra an’i Jehovah ianao ary mpandova ny famonjena, dia mifalia, satria manana anjely manodidina anao ianao.
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»
Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy omby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko?
Mihanta aminao eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny Anjely voafidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory, ny fitandremana izany zavatra izany.
Kanefa na i Misely Arkanjely aza, raha niady tamin’ny devoly, nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Môizy, dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny fanozonana, fa izao fotsiny no nataony: Hofaizin’ny Tompo anie ianao.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Fa raha ny teny nampilazaina ny Anjely aza, nanan-kery ka nahazoan’izay rehetra nandika sy tsy nanaiky sazy tandrify azy avy,
Ary rehefa nandray enina izy, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,
Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely, kanefa tsy nitandrina azy.
Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny.
Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?
Ary niaraka tamin’izay nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe: «Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»
Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.
Dia nidaboka tamin’ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny havanao izay manana ny fanambaràn’i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaràn’i Jesoa sy ny fanahin’ny faminaniana.»
Ary rehefa nandray enina izy, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: «Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao.»
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
Ary nisy ady tany an-danitra: i Misely sy ny Anjeliny moa niady tamin’ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely,
Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo: fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.
Dia tonga tao Sôdôma ny Anjely roa, nony hariva; ary i Lôta tamin’izay nipetraka teo am-bavahadin’i Sôdôma. Vao nahita azy ireo i Lôta dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe: Naninjitra ny tanany anefa izy roa lahy, ka i Lôta nosintoniny hankao aminy ao an-trano, dia nakatony ny varavarana. Fa ry zareo tao am-baravaran’ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana. Ary hoy izy roa lahy tamin’i Lôta: «Inonao avy koa no mbola eto? Na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin’ity toerana ity avokoa; fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.» Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy. Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe: Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna. Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna. Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.» Hoy i Lôta tamin’izy ireo: «Tsia, tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao: ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty. «Izao re mba miantranoa, Tompoko, ato amin’ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa ianareo, dia hanohy ny dianareo ianareo.» Hoy ny navalin’izy ireo: «Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina.» Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.» Dia hoy izy taminy: «Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io. Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra. Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta. Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra, ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin’ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin’ny tany Izy. Niherika ny vadin’i Lôta, ka zary andry sira. Nifoha maraina koa i Abrahama, dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’i Iaveh. Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy. Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta. Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
«Indro Aho maniraka Anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra!
Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ilay kofafambohitra. Fa indro nisy Anjely nanohitra azy kosa, nanao taminy hoe: «Miarena ianao, hihinana.» Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’i Iaveh, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: «Miarena ianao fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao.»
Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona? Ary i Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin’ilay Anjely niresaka tamiko.
Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.»
Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Ary niseho terỳ ambony i Iaveh ka nanao hoe: «Izaho no Iaveh Andriamanitr’i Abrahama rainao, sy Andriamanitr’i Isaaka; io tany andrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao.
Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony!
Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.» Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty.
Izaho Joany no nahita sy nandre ireo zavatra ireo. Nony efa nahita sy nandre izany aho, dia nidaboka teo an-tongotr’ilay Anjely naneho izany tamiko, mba hiankohoka taminy: nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny mpaminany havanao, mbamin’izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy.»
Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.
ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana? Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.
Ary lazaiko aminareo koa fa na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra.
Eny tokoa, tsy mba Anjely no nametrahan’Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainay izao. Fa amin’ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak’olombelona no amangianao Azy? Nataonao ambany vetivety noho ny Anjely Izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin’ny asan-tananao,
Dia nanohy ny diany i Jakôba ary ny Anjelin’Andriamanitra nifanena taminy. Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny. Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy. Ianao anefa, efa nilaza hoe: ‹Hanisy soa anao aho, ary hahamaro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay betsaka loatra ka tsy tambo isaina.› » Dia nitoetra teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary nangalany hatao fanomezana ho an’i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony; osy vavy roan-jato, osy lahy roapolo, ondry vavy roan-jato, ondry lahy roapolo, rameva mitaiza am-pianahany telopolo, sy ny zanany, omby vavy efapolo omby lahy folo, ampondra vavy roapolo, ary zanak’ampondra folo. Napetrany teo an-tanan’ny mpanompony ireo, nataony mitsitokotoko, dia hoy izy taminy: «Mandehana eo alohako ianareo, ka asio elanelany isan-tokony ny zavatra.» Ary izao no teny nomeny ny voalohany: «Rehefa hifanena aminao i Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: ‹An’iza ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ity andiam-biby fiompy alohanao?› dia valio hoe: ‹An’i Jakôba mpanomponao ireo, dia fanomezana ampanateriny ho an’ny tompoko, ho an’i Esao, ary indro izy tamy ao aorianay ao koa.› » Nomeny teny torak’izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, mbamin’izay rehetra nanaraka ny biby fiompy nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’i Esao, rehefa hifanena aminy ianareo; Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.
Dia hitako, sady reko koa ny feon’Anjely maro, nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamim-peo mahery hoe: «Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra.»
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.
ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny Anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona avy any amin’ny maty.
raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak’Andriamanitra.
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy. Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy. Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?»
Namaly ny Anjely nanao taminy hoe: «Izaho no Gabriely, ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra, ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao izany teny mahafaly izany;
Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra,
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro. Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany. Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana, ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!» Hoy i Iaveh tamin’i Abrahama: «Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa antitra ity ve dia mbola hiteraka indray? Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.» Nandà i Sarà nanao hoe: «Tsy nihomehy aho tsy akory;» fa natahotra izy. «Tsia fa nihomehy tokoa ianao,» hoy Izy. Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy. Ary hoy i Iaveh: «Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko? I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy». Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy,
Haniraka Anjely eo alohanao Aho, ary handroaka ny Kananeanina, ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
Fa hoy ny navaliny: «Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika.» Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Fa ny nohatoninareo dia ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian’ny Anjely alinalina,
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe: Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna. Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nanidina teo afovoan’ny lanitra, nitondra ny Evanjely mandrakizay, hotorîny amin’ny mponina eto an-tany, dia amin’ny firenena rehetra, sy amin’ny foko aman-tsamihafa fiteny, mbamin’ny fanjakana rehetra.
Tamin’izay, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: «Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?» Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Fa ny Zanak’olona dia tonga hamonjy ny very. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza. Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho. Ary tamin’izay, nanatona Azy i Piera nanao hoe: «Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?» Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.» «Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo ka nifona taminy hoe: ‹Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra›. Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‹Aloavy ny trosako any aminao.› Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: ‹Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.› ary hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: ‹Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?› Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.» Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Aoka hanahaka ny akofa tsofin’ny rivotra izy, ka horoahin’ny Anjelin’i Iaveh eo anatehany. Aoka ho maizina sady malama ny lalany, ary aoka hanenjika azy ny Anjelin’i Iaveh.
Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.
Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.
Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony!
Nefa izao no navalin’Andriamanitra azy: Misy fito arivo lahy no efa natokako ho Ahy, sy tsy nandohalika tamin’i Baala.
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.
Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny Anjely tany an-tratran’i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina.
Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo. Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana». Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao; mandra-pitondràn’i Iaveh ny olona any lavitra, ka ho be ny lao amin’ny tany. Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.» Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.
Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan’i Iaveh ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
dia nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: ‹Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »
Fa ny nohatoninareo dia ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian’ny Anjely alinalina, ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,
Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra:
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
nefa tsy mba naneso na nihataka tamin’izany ianareo, fa vao mainka koa nandray ahy toy ny Anjelin’Andriamanitra na tahaka an’i Kristy Jesoa aza.