Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 7:11 - Baiboly Katolika

11 Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary ny anjely rehetra dia nitsangana manodidina ny sezafiandrianana sy ny loholona ary ny zavamananaina efatra; niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana sady nitsaoka an’Andriamanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana sady nitsaoka an’Andriamanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ny loholona sy ny zava-manan-aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 7:11
16 Rohy Ifampitohizana  

Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina: hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,


Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.


Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»


mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.


Ary rehefa mampiditra ny Lahimatoa atỳ ambonin’ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.


Tamin’izay ireo Anti-dahy efatra amby roapolo, nipetraka tamin’ny seza fiandrianany teo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra,


Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»


nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny mpaminany havanao, mbamin’izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy.»


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.


Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.


Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra