Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 2:2 - Baiboly Katolika

2 Fa raha ny teny nampilazaina ny Anjely aza, nanan-kery ka nahazoan’izay rehetra nandika sy tsy nanaiky sazy tandrify azy avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Fa raha tanteraka ny teny izay nampilazaina ny anjely ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin’anjely aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin’anjely aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Fa raha tanteraka ny teny izay nampilazaina ny anjely ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 2:2
29 Rohy Ifampitohizana  

ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana? Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.


Kanjo raha mbola teo am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’i Iaveh, ka nasian’i Iaveh tamin’ny loza mafy indrindra ny vahoaka.


Ary i Iaveh tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.


Nisy 24.000 no matin’ny loza.


dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely, kanefa tsy nitandrina azy.


Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.


Hoheloin-ko faty izay mety hoentim-piavonavonana, ka amin’ny ataony dia tsy hihaino ny mpisorona mitoetra eo hanompoany an’i Iaveh Andriamanitrao, na tsy mihaino ny mpitsara. Izany no hamongoranao ny ratsy eo amin’i Israely.


Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny,


dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy.


Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Aoka hirotsaka toa ranonorana ny fampianarako; ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, dia tahaka ny tandrifin-drahona amin’ny zava-maitso, toy ny rano mitete amin’ny ahi-maitso.


Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany;


Novonoina tsy nasiana famindram-po akory izay nandika ny Lalàn’i Môizy, notondroin’ny vavolombelona roa na telo;


Koa aza miala amin’ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany.


nataony harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta ny fijalian’i Kristy, satria nijery ny valisoa izy.


Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.


Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,


Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.


Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino tatỳ aoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra