Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:31 - Baiboly Katolika

31 Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary haniraka ny anjeliny Izy, miaraka amin’ny feon’ny trompetra mafy, ary izy ireo dia hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faravodilanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:31
44 Rohy Ifampitohizana  

Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!


Efa nahavokatra ny tany; hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!


Miventesa hira arahim-peon’ny ampogatapaka, sy harpa mireondreona mbamin’ny valiha.


Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.


Ary izy hanangam-paneva ho an’ny firenena, hamory ny voasesitany amin’i Israely; hanangona ny tafaely amin’i Jodà, avy any amin’ny vazantany efatra.


Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra.


Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.


Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh; sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany, ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy, ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo!


Ny Avaratra hilazako hoe: ‹Atolory izy!› ary ny Atsimo hataoko hoe: ‹Aza mitana azy!› Avereno ny zanako lahy, avy any lavitra any, sy ny zanako vavy, avy any am-paran’ny tany,


Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.


Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo. Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo; ary hisikinanao toy ny sikin’ny ampakarina.


Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankatỳ aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana.


dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.


Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»


Ary namaly ahy ny Anjely, ka nanao hoe: «Ireo no rivotra efatry ny lanitra tonga avy nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.


Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema, ary hopotehina ny tsipìka fiadiana. Hilaza fiadanana amin’ny firenena izy; ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina; ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.


Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.


Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany.


ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany.


Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.


«Makà fanoharana amin’ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.


Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;


Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;


Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.»


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa, ho antokony iray.


Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin’ny faravazantany ny teniny.


Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika.


rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.


Na dia efa any amin’ny fara vodilanitra aza ny voasesitany aminao, dia avy any no hanangonan’i Iaveh Andriamanitrao anao, any no hangalany anao.


Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!


fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;


Ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry kristianina havana,


ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo;


izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»


Taorian’izany, nahita Anjely efatra aho, nitsangana tamin’ny vazantany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka, na amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo iray akory.


Nony afaka izay, dia nahita ireo Anjely fito mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra aho, ary nomena trômpetra fito izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra