Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


102 Andinin’ny Baiboly momba ny Sorona

102 Andinin’ny Baiboly momba ny Sorona

Ny sorona dia fanatitra ho an'Andriamanitra, maneho fankatoavana, fiezahana ary fanoloran-tena, miaraka amin'ny fanantenana handray fitahiana. Midika izany hoe manome an'izay rehetra takian'ny Tompo amintsika, tsy misy fandavana na inona na inona, mankato ny didiny tsy misy fepetra ary tsy miandry fanazavana.

Hitantsika ao amin'i Jesosy ohatra mazava momba izany: nilain'Andriamanitra ny fampihavanana izao tontolo izao Aminy, satria ny fahotana no nisakana antsika tsy ho eo anatrehany amin'ny voninahiny, fa ny soron'i Jesosy kosa dia mamela antsika hivavaka amin-kalalahana amin'ny Raintsika any an-danitra.

Ireo sorona ataonao eo amin'ny fiainanao dia mitondra anao any amin'ny tanjona iray foana, ary noho izany dia ataonao am-pitiavana izy ireny, miandrandra ny hahita ny vokatra irina. Tsy noeritreretin'ny Tompontsika ny fanaintainana niainany; ny hany tanjony dia ny fanatanterahana ny sitrapon-dRainy teto an-tany.

Nanao sorona ny zanany Andriamanitra mba tsy ho very isika, koa inona no vonona hafoinao ho an'Andriamanitra? Rehefa misy zavatra angatahiny aminao, dia tokony ho vonona ianao hanaiky tsy misy fepetra ireo fahasahiranana ateraky ny fanatanterahana ny didiny, maneho fitiavana tanteraka izay mety hitondra anao hatramin'ny fahafatesan'ny fitiavan-tena, ny fireharehana ary ny faniriana fankatoavana avy amin'olona.

Tsy natao hampiaiky volana ny hafa ireo sorona ataonao, fa ho toy ny fanehoam-pitiavana amin'ny Mpamorona anao. Aza mandà ny hanome ny fotoananao, ny volanao na ny fianakavianao, satria na dia ny fihetsika kely indrindra aza dia mety hiteraka zava-dehibe. Andriamanitra dia nanolotra ny ain'ny zanany mba hamonjena antsika, ary amin'ny alalan'ny sorontsika ankehitriny dia maro ny aina voavonjy amin'ny afobe.

Na dia mety ho mafy aza indraindray ny sorona, matokia fa ny Fanahy Masina no hanohana anao amin'ny fotoana rehetra ary tsy hamela anao ho lavo.


Eksodosy 20:24

Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 1:3-4

Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh. Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:17

Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera ny fiderana Anao ny vavako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:1

Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 9:22

Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:5

Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 2:20

ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:17

Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:5

ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 16:24

Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 107:22

Hanatitra sorona fisaorana anie izy, ary hitory ny asany amin’ny hobin-kafaliana!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 29:18

dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:20

ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:32

Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 20:3

Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerany masina anie Izy; hanohana anao avy any Siôna anie Izy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 4:27-31

Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, ka tonga meloka izy, rehefa fantany ny helony, dia osy vavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony. Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana. Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana. Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely. Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:15

Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 2:2

Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 26:28

fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 5:21

Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 21:3

Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 3:25

Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:6-8

Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy. Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana. Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 1:11

Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 118:27

Andriamanitra i Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika Izy. Rohizo kofehy ny sorona, hatreo amin’ny tandroky ny ôtely.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:14

Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 15:57

Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:2

Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:23-24

Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 5:8

Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 116:17

Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny Anaran’i Iaveh.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:14

Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:10

Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:18

Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:8

Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 55:22

Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:29-30

Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. «Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 8:5

Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena amin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 50:14

Ny fisaorana no atero ho sorona ho an’Andriamanitra, ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 11:4

Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 66:3

Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:1-2

Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:18

Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 9:26

raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 6:25-30

Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 1:7

Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:19

Fa fanahy torotoro no sorona ho an’Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 22:13

Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 2:6

izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 26:6-7

Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh, mba handefa feo fiderana ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 26:39

Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:3

Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:16

Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 14:7-9

Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany; fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany. Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:12

Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 9:7

Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 11:4

Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 96:8

Omeo an’i Iaveh ny voninahitra mendrika ny Anarany. Mitondrà ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 1:4

izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 16:25

«Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 22:29-30

Raha manatitra sorom-pisaorana amin’i Iaveh ianareo, dia atolory araka izay ankasitrahana azy. Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh. Izay andro amonoana azy ihany no ihinanana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Izaho no Iaveh.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:1-2

Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo; fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo. Satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa. Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 141:2

Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 2:17

Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 5:7

Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:108

Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:2

Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 29:42

Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 27:51

Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 6:13

ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 11:17

Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:6

Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 4:5

Matahora ka aza manota intsony! Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 69:30-31

Izaho kosa dia ory sy mijaly; hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra! Hankalaza ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho; hanandratra Azy amin’ny fisaorana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:24

Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 26:9

Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota, ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 3:18

Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 27:35

Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: «Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko»;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 54:6

Indro, Andriamanitra no vonjiko, ny Tompo no tohan’ny fanahiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:8

Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 116:12

Inona no havaliko an’i Iaveh, noho ny soa rehetra nataony tamiko?

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 29:31

Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 3:26

dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 9:14

mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 50:5

Anangony izay miraiki-po amiko aho, dia ireo nanao fanekena amiko, amin’ny sorona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 31:54

Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:16

mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:7

Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:24

satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 66:13-15

Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko, izay efa notononin’ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:7

Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 22:2

Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 8:20

Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:12

fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 17:11

satria ny ain’ny nofo dia amin’ny ra, ka ny hanolorana azy eo amin’ny ôtely hanaovana fanonerana ho an’ny ainareo, no nanomezako azy anareo, fa noho ny aina ao aminy no ahavitan’ny ra fanonerana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 4:35

Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 5:10

Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ho an’izany olona izany, ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 3:21

Nanaovan’i Iaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 4:4

Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny, mbamin’ny taviny. Ary i Iaveh nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 16:30

Fa amin’izany andro izany no hanaovana ny fanonerana ho anareo, mba hanadiovana anareo, ka hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra, eo anatrehan’i Iaveh ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 16:15

Dia hovonoiny ny osy lahy, sorona noho ny ota, izay ho an’ny vahoaka, ka hoentiny miditra ao amin’ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ran’ny ombalahy; dia hafafiny amin’ny fanaovam-panavotana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 12:13

Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, tia anao aho ary misaotra anao noho ny fitiavanao sy ny famindram-ponao tsy manam-petra. Misaotra anao fa tsara tamiko ianao ary mampiseho ny famindram-ponao amiko mandrakariva. Jesosy Tompo ô, misaotra anao fa tonga teto amin'izao tontolo izao ianao hanonjy ahy amin'ny ota ary hanome ahy fiainana mandrakizay. Tompo ô, misaotra anao noho ny sorona rehetra nataonao mba hahafahako amin'ny fahafatesana. Fanahy Masina ô, ampianaro aho hanao sorona fiderana isan'andro, na inona na inona toe-javatra na fahoriana lalovako. Tahaka an'i Paoly sy i Silasy, aoka hisy hira fiderana eo am-bavako mba hisokafan'ny varavarana. Te- hanolotra sorona fitiavana ho anao aho tahaka an'i Abrahama. Tazomy amin'ny fiderana anao aho Andriamanitra ô, tahaka ny nataon'i Davida. Ray ô, amin'ny anaran'i Jesosy no angatahako aminao mba hitari-dalana ahy, hametraka fitiavana sy fanambarana ao am-poko mba hanolotra sorona mendrika anao tahaka ny nataon'i Abela. Diovy sy sasao amin'ny ranao aho Jesosy mba ho mendrika eo anatrehan'Andriamanitra ary hahafaly anao mandrakariva. Ianao ry Malalako no ohatra lehibe indrindra amin'ny sorona satria voasoratra hoe: «fa i Kristy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja noho ny ota ka mandrakizay dia efa nipetraka eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra». Misaotra anao Tompo ô, noho ny finoana napetrakao ato amiko. Misaotra anao fa ianao no ohatra fitiavana, famelan-keloka ary sorona ho ahy. Misaotra anao Tompo ô, noho ny fiainako, ny fianakaviako, ny tranoko, ny namako, satria avelanao hizara izay rehetra omenao ahy amin'izy ireo aho. Misaotra anao Tompo ô, noho ny hatsaram-ponao sy ny famelan-kelokao tsy manam-petra. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra