Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 27:35 - Baiboly Katolika

35 Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: «Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko»;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary rehefa voahombony tamin’ny hazofijaliana Izy dia nataony antsapaka no fizara ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Dia nohomboan’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Izy, ary nanaovany loka no fizara ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Dia nohomboan’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Izy, ary nanaovany loka no fizara ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary rehefa voahombony tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:35
10 Rohy Ifampitohizana  

Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko, ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako; mampandry ahy ao amin’ny vovoky ny fahafatesana Ianao.


mahisa ny taolako rehetra aho. Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;


Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.


Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.


Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: «Efa nahita ny Tompo izahay.» Fa hoy izy tamin’ireo: «Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho.»


Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»


dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;


dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra