Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:18 - Baiboly Katolika

18 dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ary dory ho fofona eo ambonin’ny alitara ny tenan’ny ondrilahy; ho fanatitra odorana ho an’i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:18
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.


Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»


«Dada ô!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho, anaka.» Dia hoy i Isaaka: «Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?»


Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.


Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.


Dia latsaka tamin’izay ny afon’i Iaveh, ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin’ny hady!


Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io


Tsy ny amin’ny soronao no aniniako anao, fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.


Teteho ny ondralahy ary rehefa voasasanao ny taovany sy ny ranjony dia hapetrakao eo ambonin’ny tetiny sy ny lohany;


Raha efa izany hoesorinao eo an-tanany ireo ka hodoranao eo ambony ôtely, ambonin’ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh: sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.


Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.


Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.


Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.


Nosasany tamin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon’i Môizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.


ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.


Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an’i Iaveh, dia nitaraina tamin’i Iaveh ho an’i Israely i Samoela, ka nohenoin’i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra