Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 29:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ary dory ho fofona eo ambonin’ny alitara ny tenan’ny ondrilahy; ho fanatitra odorana ho an’i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:18
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy.


Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.


dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy: –Dada ô! Ka novaliany hoe: –Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehàka hoe: –Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?


Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.


Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.


Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady.


Indray andro dia nankany Gibehôna ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin’i Salômôna teo amin’izany alitara izany.


Tsy ireo sorona amam-panatitrareo no aniniako anareo: eo anatrehako mandrakariva ireny rehetra ireny.


Hotetehinao ho vongana madinika ny ondrilahy; hosasanao ny tsinainy sy ny tongony ka hapetrakao eo ambony alitara, eo ambonin’ireo vongana madinika sy ny lohany.


Avy eo dia halainao eny an-tanany ireo ka hodoranao hanetona eo ambony alitara miaraka amin’ny sorona dorana manontolo: ho sorona atolotra Ahy TOMPO izany, ka ho hanitra ankasitrahina ho AHY.


«Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny saboran-janak’omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


nodorany hanetona koa ny tsinainy sy ny tongony rehefa avy nosasany. Indray nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy: sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO, araka izay efa nandidiany an’i Mosesy.


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Ka ny mitia Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny saina manontolo ary amin’ny hery manontolo, sy ny mitia namana tahaka ny itiavana ny tena dia manoatra lavitra noho ny biby dorana eo amin’ny alitara sy ny sorona isan-karazany.


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin’i Epafrôdito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin’Andriamanitra sady ankasitrahiny.


Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO; dia nitalaho tamin’ny TOMPO ho an’ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra