Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:19 - Baiboly Katolika

19 «Alao koa ny ondralahy faharoany, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambony lohan’ny ondralahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Mbola makà ondrilahy hafa koa; ary aoka hametraka ny tanany amin’ny lohan’io ondrilahy io i Arona sy ireo zanany;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 «Avy eo dia halaina koa ny ondrilahy faharoa, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo amin’ny lohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 «Avy eo dia halaina koa ny ondrilahy faharoa, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo amin’ny lohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny ondrilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Mbola makà ondrilahy hafa koa; ary aoka hametraka ny tanany amin’ny lohan’io ondrilahy io i Arona sy ireo zanany;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.


Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra