Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 9:26 - Baiboly Katolika

26 raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 fa raha izany dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanolorany ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin’izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin’ny nanolorany tena ho sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin’izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin’ny nanolorany tena ho sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 fa raha izany dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanolorany ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 9:26
36 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao.


Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka, ka hoy i Davida tamin’i Iaveh: «Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko! Koa ankehitriny, Iaveh ô, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.»


Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho, ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».


Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.


Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,


Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.


ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.


Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.


Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.


Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.


Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.


Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao.


Ary izao, hoy aho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy hafa noho ny mpanompo, na dia izy aza no tompon’ny zavatra rehetra;


rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.


fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.


ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.


fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;


Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;


satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana?


Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.


ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.


sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.


mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!


dia ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao, no vao naseho, noho ny aminareo.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.


Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy.


Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.


Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.


Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra