Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 53:10 - Baiboly Katolika

10 Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, Dia hahita taranaka sady ho maro andro, Ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 53:10
62 Rohy Ifampitohizana  

Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.


fa ny fankasitrahan’i Iaveh dia ireo matahotra Azy, ireo manantena ny hatsaram-pony.


Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.


Fa notsenainao fanambinana fatratra izy; satroboninahitra volamena madio no nataonao tamin’ny lohany.


Ny manam-pahefana eto ambonin’ny tany hihinana sy hiankohoka, izay rehetra midina ho any amin’ny vovoka, hiondrika eo anoloany; dia ireo tsy mahay manalava ny andro iainany.


Hanompo Azy ny taranaka; holazaina amin’ny taranaka ho avy ny Tompo.


Aoka ho foana ny fonenany, ary tsy hisy mpitoetra intsony ao an-dainy.


Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!


Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina, amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.


Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay Aho; ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana.


Efa nianianako indray mandeha tamin’ny fahamasinako, ka tsy handainga amin’i Davida Aho.


Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.


Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;


Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako, ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.»


Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.


Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao; ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.


Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena; ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.


Fa tahaka ny lanitra vaovao, sy ny tany vaovao efa hoarîko, haharitra eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh,- no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.


Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;


Hataoko fifaliana ho Ahy ny manao soa aminy, ka hamboleko marina tokoa amin’ity tany ity izy ireo, amin’ny foko rehetra sy amin’ny fanahiko rehetra.


Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»


Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay.


Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.


I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.


Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.


vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana,


Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»


Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»


ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.»


Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,


Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana.»


sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.


Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?


Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,


ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;


fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Mandra-piavin’izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon’ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo ianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo,


sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty Aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy.


ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.


mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra