Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.» Fa Izy no manafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza, sy ny pesta mandoza. Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Fa i Iaveh no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.»
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa. Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao! Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelany ho tafintohina ny tongotro; tsy ho rendremana ilay miambina anao. Tsia, tsy rendremana na matory ilay miambina an’i Israely.
Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina; ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Eny, mahatoky Andriamanitra Izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
«Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa,
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany. Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Dia hoy ny navalin’i Iaveh: «Ny Tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana ianao».
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.»
I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany. Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin’ny voromahery.