Ny fahafolon-karena, toy ny hetra nofaritan’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha dia natao hikarakarana ny Levita, ny fandaniana momba ny tempoly na ny tabernakely, ary hanampiana ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny malahelo. Tsy zavatra kely akory ny fanomezana ny fahafolon-karena sy ny fanatitra eo amin’ny alitara, fa maneho ny toe-ponao. Tsy vola fotsotsiny no omena fa fanehoana fahatsoram-po sy fahalalahan-tanana.
Rehefa manome ny fahafolon-karena ianao, dia mampihatra ny finoanao, mampiseho fahatokisana ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra. Maneho ny fitiavanao ianao amin’izany, sady mahatsiaro fa Andriamanitra no nanome izay tsara indrindra nananany, dia i Jesosy Zanany, noho ny fitiavana. Koa ny fanomezana tsara dia tsy fireharehana amin'ny habetsahana fa fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifaliana sy ny fankatoavana.
Ny fahafolon-karena dia ampahafolon’izay anananao atolotrao ho an’Andriamanitra. Ny fahafolon-karena voalohany voasoratra ao amin'ny Baiboly dia ny an'i Abrahama nomena an'i Melkizedeka mpisorona ho fisaorana. Rehefa manome ny fahafolon-karena ianao dia maneho fankasitrahana ny Ray noho ny fitahiana rehetra azonao, manaiky ny famindram-pony ary te hamaly soa ny fahasoavany tsy mendrika ianao.
Ny fanomezana ny fahafolon-karena sy ny fanatitra dia fanompoam-pivavahana an’Andriamanitra, izay ahitana zava-dehibe maro. Rehefa manao izany ianao dia miditra ao amin'ny tsingerin'ny fahafahana ara-bola izay nataon'Andriamanitra ho anao. Raha mahazo nefa tsy manome ny fahafolon-karena ianao dia manapaka izany tsingerina izany. Ny antony lehibe indrindra anomezana ny fahafolon-karena dia ny fandraisana anjara amin’ny fitahian’Andriamanitra voatokana ho an’ny fiainan’ny mpino rehetra. Rehefa takatrao izany dia hiova ny fiainanao.
Aza manaraka ny ohatr’ireo izay tsy manome fahafolon-karena noho ny antony manokana, satria izany no manakana ny firotsahan’ny haben’ny fitahian’Andriamanitra. Omeo Andriamanitra satria tianao Izy ary feno fankasitrahana ianao noho izay rehetra nataony ho anao.
Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony. Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha. Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao. Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako; ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia i Iaveh no ho Andriamanitro. Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»
Atokano ny fahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona. Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.
Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany. dia sendra rafitra ady izy ireo tamin’i Barà, mpanjakan’i Sôdôma sy i Bersà, mpanjakan’i Gômôra, sy i Senaaba, mpanjakan’i Adamà, sy i Seneber, mpanjakan’i Sebôima, ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany. Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema, mpisoron’ny Avo Indrindra, nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, satria mbola tao an-kibon’io razana io izy, tamin’ny nitsenan’i Melkisedeka an’i Abrahama. Koa raha tahiny nahalavorary zavatra ny fisoronan’i Levi, fa tamin’izany no nandraisan’ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna Mpisorona hafa araka ny fomban’i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban’i Aarôna? Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovàna koa ny Lalàna. Ary ny olona antsoina amin’izany teny izany, dia avy amin’ny foko hafa tsy mbola nisy nanao raharaha tamin’ny ôtely, satria fantatra miharihary fa avy amin’i Jodà foko tsy mba voalazan’i Môizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika. Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rehefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an’i Melkisedeka: tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana, fa toy izao no anambarana azy: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka. Toy izany àry no nandravana ny didy taloha, noho izy nalemy sy tsy nahasoa, - satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirana fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra. notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra; mpanjakan’ny fahamarinana no hevitr’anarany voalohany, vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe mpanjakan’ny fiadanana;
«Mitenena amin’ny Levita ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Rehefa mandray ny fahafolon-karena avy amin’ny zanak’i Israely ianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin’ny fananan’izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an’i Iaveh, ampahafolon’ny ampahafolon-karena.
«Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany, dia lazao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza.
Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.
ity mahafoy an-kazavam-po moa, mitombo harena; fa itsy fatra-pitsitsy, vao mainka mahantra. Ny fanahy manao soa, hohatavezina; ary izay manondraka dia hotondrahana koa.
Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.
Omeo an’i Iaveh ny voninahitra mendrika ny Anarany. Mitondrà ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
Ka aoka ho avy amin’izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ama-mpitondratena izay ao anatin’ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.
Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak’i Levi izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka, izany hoe amin’ny rahalahiny, izay terak’i Abrahama koa;
Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako; ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia i Iaveh no ho Andriamanitro. Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»
Matahora ka aza manota intsony! Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika; ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra, dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.
Ny fisaorana no atero ho sorona ho an’Andriamanitra, ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana. Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.
Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.
Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
«Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»
Manomeza an’i Iaveh, ry fokom-pirenena rehetra, manomeza voninahitra amam-pahefana an’i Iaveh.
Fa namory vola an-tsitrapo hiantrana ny olona masina tra-pahoriana any Jerosalema, ry zareo ao Masedônia sy ao Akaia.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Tsy maintsy manome azy ianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy ianao, fa izany no hanambinan’i Iaveh anao amin’ny asanao rehetra sy amin’ny raharaha rehetra hataonao.
Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy. Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin’ny fotoana isika raha tsy ketraka.
Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra, hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!
Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana. Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy. mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
Ny mampahory ny mahantra, maniratsira Ilay nanao azy; fa ny miantra ny tsy manana no manome voninahitra Azy.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Ao no hanateranareo ny soronareo dorana, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo ary ny voatokan’ny tananareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.
Mamafy fiantrana Izy, manome ny mahantra, maharitra mandrakizay ny fahamarinany; misandratra amim-boninahitra ny tandrony.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
«Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy.
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.›
Fa tsy tandreman’ny sainy ny asan’i Iaveh, dia ny asan-tanany: ka horavany kosa fa tsy haorina izy ireo.
Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.
«Atero ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao.» «Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Raha masina ny santatra, dia masina koa ny sisa rehetra; ary raha masina ny fotony, dia masina koa ny rantsany.
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra Ahy; ary izay mandamina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely? Toy izany koa no nandidian’ny Tompo fa izay mitory ny Evanjely, dia hahazo fivelomana amin’ny Evanjely.
«An’i Sezara,» hoy ireo. «Raha izany àry, hoy Izy, dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.»
Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana, fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana Ianao sy mitondra ny firenena ambonin’ny tany. Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny firenena rehetra! Efa nahavokatra ny tany; hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!
Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo. Dia nahita mpitondratena mahantra anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, «Ary rehefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy, ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra. Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’ity firenena ity: haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.» «Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.» Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: «Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: ka nanao hoe: «Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny lanitra sy ny tany fa ny teniko tsy mba ho levona.» «Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.» Tamin’ny antoandro no nampianatra tao an-Tempoly i Jesoa, fa nony avy ao dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin’ny tendrombohitra Oliva. Ary vao maraina koa dia nanatona azy tao an-Tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino Azy. satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.»
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany. Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Ary fantatrareo koa, ry Filipianina, fa tamin’ny niandohan’ny Evanjely, rehefa niala tany Masedônia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin’ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy ianareo ihany.
Inona no havaliko an’i Iaveh, noho ny soa rehetra nataony tamiko? Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho, ka hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.
«Rehefa tonga any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ka efa tompon-tany sy tafaorim-ponenana any, Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao. Raha efa izany dia miaraha mifaly amin’ny Levita sy amin’ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.» «Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany, dia lazao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza. Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin’ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy. Tsinjovy eny amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio i Israely vahoakanao, mbamin’ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin’ny razanay.» «I Iaveh Andriamanitrao no nanadidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra ireo. Nampanambara tamin’i Iaveh ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàny amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony. Ary i Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.» dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany.
Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao: ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Tsy izany ihany koa, fa tamin’izy ireo dia olona mety maty no mandray ny ampahafolon-karena, fa amin’izao kosa dia olona ambara hoe velona.
fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»
Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany. Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa.
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina. Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra; ary mahazo fanambinana ny taranany.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy. Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany. dia sendra rafitra ady izy ireo tamin’i Barà, mpanjakan’i Sôdôma sy i Bersà, mpanjakan’i Gômôra, sy i Senaaba, mpanjakan’i Adamà, sy i Seneber, mpanjakan’i Sebôima, ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany. Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina. Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tanana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an’i Iaveh. Izay rehetra nanana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon’osy, hoditr’ondralahy voasoka mena, ary hodi-dogaona, dia samy nitondra avokoa. Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an’i Iaveh. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany. Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon’osy. Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra, zava-manitra aman-diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro sy ny diloilo fanosorana ary ny zava-manitra mamerovero. Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
«Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voa famafy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voan’ny hazo, dia an’i Iaveh avokoa, zava-boatokana ho an’i Iaveh izany.
Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»
Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin’izay Aho, hoy i Iaveh’ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Indro omeko ho lovan’ny taranak’i Levỳ ny fahafolon-karena rehetra amin’i Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan’ny trano lay fihaonana.
Olombelona va no sahy hanambaka an’Andriamanitra, no hanambaka Ahy ianareo? - Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanambakanay Anao? - Tamin’ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana.
Amin’ny faran’isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ary ataovy eo anatin’ny vavahadinao.
Toraka izany koa hanatitra ho an’ny mpisorona ao amin’ny efitrano, ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin’ny voankazo avy amin’ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay; ary ny tenan’ny Levita no haka ny ampahafolony any amin’ny tanàna rehetra fambolenay.
Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.