Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 14:20 - Baiboly Katolika

20 Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 14:20
30 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny mpanjakan’i Sôdôma tamin’i Abrama: «Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.»


izaho koa notantanan’i Iaveh amin’ny lalana mankatỳ amin’ny rahalahin’ny tompoko.»


Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»


Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»


Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.


Hoy indray izy: «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema Ary aoka ho andevony i Kanaana.


Niantso mafy i Akimaasa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Fandresena!» Izay vao niankohoka tamin’ny tany, teo anatrehan’ny mpanjaka izy, nanao hoe: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.»


dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voaavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. I Kôneniasa Levita no tonian’ny fitandremana an’ireo; i Semeià rahalahiny no lefiny,


hitondra ho ao an-tranon’ny Andriamanitsika, amin’ny mpisorona manao ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny lahy matoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinay.


Izay i Jodà rehetra, vao nitondra ao an-trano fitahirizana ny fahafolon’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo.


Nataon’i Davida. Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko, izay nampianatra ny tanako hiady, ary ny rantsan-tanako hiantafika.


Nandroaka firenena Ianao tamin’ny tananao, hamponenana azy; nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.


Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.


Ary hoy i Jetrô: «Hisaorana anie i Iaveh izay nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.


Mankanesa any Betela ka manotà; sy any Galgalà, ka mampitomboa ny fahotana! Ento isa-maraina ny soronareo; ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!


Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin’izay Aho, hoy i Iaveh’ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo.


Olombelona va no sahy hanambaka an’Andriamanitra, no hanambaka Ahy ianareo? - Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanambakanay Anao? - Tamin’ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana.


«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.›


mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,


Tsy azonao hanina ao anaty vavahadinao ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao, ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, ny fanolorana rehetra nanaovanao voady, ny fanatitra an-tsitraponao, ny voatokan’ny tananao;


Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.


Amin’ny faran’isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ary ataovy eo anatin’ny vavahadinao.


Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan’i Jôsoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria i Iaveh Andriamanitr’i Israely no niady ho an’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra