Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:30 - Baiboly Katolika

30 «Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voa famafy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voan’ny hazo, dia an’i Iaveh avokoa, zava-boatokana ho an’i Iaveh izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary na avy amin’ny saha, dia an’NY TOMPO; masina ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 «Ny ampahafolon’ny vokatry ny tany, na avy amin’ny tanim-bary na avy amin’ny saha, dia an’ny TOMPO; voatokana ho AZY izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 «Ny ampahafolon’ny vokatry ny tany, na avy amin’ny tanim-bary na avy amin’ny saha, dia an’ny TOMPO; voatokana ho AZY izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary, na avy amin’ny saha, dia an’i Jehovah; masina ho an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah; masina ho an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:30
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»


Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»


Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»


Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.


dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voaavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. I Kôneniasa Levita no tonian’ny fitandremana an’ireo; i Semeià rahalahiny no lefiny,


nitandrina ny zavatra rehetra momba ny fanompoana ny Andriamaniny sy ny momba ny fanadiovana; torak’izany koa ireo mpihira sy mpiandry varavarana, araka ny nandaharan’i Davida sy i Salômôna zanany.


Izay i Jodà rehetra, vao nitondra ao an-trano fitahirizana ny fahafolon’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo.


efa namboatra ho an’io, efitrano anankiray lehibe, nitahirizana talohan’izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon’ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an’ny Levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an’ny mpisorona.


Tsy misy azo avotana izay olona natao anatema, fa atao maty.»


Raha misy olona te hanavotra amin’ny ampahafolon’ny vokany, dia hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny.


Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.


Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.


mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.›


dia hanana anjara fivelomana toraky ny an’ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin’ny fivarotana ny anjara lovany.


«Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra