26 mba hamepetra ny levita hoe: –Rehefa mandray avy amin’ny Israelita ny fahafolon-karena izay efa homeko ho anjaranareo ianareo, dia anokany ampahafolony izany ho Ahy TOMPO.
26 mba hamepetra ny levita hoe: –Rehefa mandray avy amin’ny Israelita ny fahafolon-karena izay efa homeko ho anjaranareo ianareo, dia anokany ampahafolony izany ho Ahy TOMPO.
Toraka izany koa hanatitra ho an’ny mpisorona ao amin’ny efitrano, ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin’ny voankazo avy amin’ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay; ary ny tenan’ny Levita no haka ny ampahafolony any amin’ny tanàna rehetra fambolenay.
Ny mpisorona taranak’i Aarôna, hiaraka amin’ny Levita, rehefa mandray ny fahafolony ny Levita, ary ny ampahafolon’ny fahafolony dia haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitra ao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitra.
Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak’i Levi izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka, izany hoe amin’ny rahalahiny, izay terak’i Abrahama koa;