Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 18:26 - DIEM PROTESTANTA

26 mba hamepetra ny levita hoe: –Rehefa mandray avy amin’ny Israelita ny fahafolon-karena izay efa homeko ho anjaranareo ianareo, dia anokany ampahafolony izany ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Mitenena indray amin’ny levita hoe: Rehefa raisinareo avy amin’ny Zanak’Israely io fahafolonkarena io, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo indray ny ampahafolon’izany ho fanomezana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 mba hamepetra ny levita hoe: –Rehefa mandray avy amin’ny Israelita ny fahafolon-karena izay efa homeko ho anjaranareo ianareo, dia anokany ampahafolony izany ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 «Mitenena amin’ny Levita ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Rehefa mandray ny fahafolon-karena avy amin’ny zanak’i Israely ianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin’ny fananan’izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an’i Iaveh, ampahafolon’ny ampahafolon-karena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Mitenena indray amin’ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin’ny Zanak’Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:26
7 Rohy Ifampitohizana  

Ampahany voafantinay amin’ny koba sy voankazo ary divay sy menaka no hatolotray ho an’ny mpisorona ka hapetrakay ao an-tranon’Andriamanitray, ao amin’ny efitrano voatokana ho an’izany; hatolotray ho an’ny levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay, ka ny levita mihitsy no handray io fahafolon-karena io eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.


Rehefa mandray ny fahafolon-karena kosa ny levita, dia hisy mpisorona anankiray taranak’i Aharôna hiaraka aminy; ary ny ampahafolon’ny fahafolon-karena dia hoentin’ny levita ao an-tranon’Andriamanitra, ao amin’ny efitrano fitehirizan-drakitra.


Toy izany no anomezanareo ho Ahy TOMPO ny ampahany amin’ny santatry ny kobanareo; hatramin’ny taranakareo fara mandimby.


Ary hoy koa ny TOMPO hoe: –Ny levita kosa dia omeko ny fahafolon-karena rehetra voaangona amin’ny Israelita noho ny asam-panompoany ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


Izay hatokanareo dia hisaina mitovy amin’ny fanatitra avahan’ny olona ho Ahy amin’ny vary sy ny voamaina na ny divay vaovao.


Ireo mpisorona avy amin’ny taranak’i Levỳ no mahazo didy, araka ny lalàna, handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka Israely, izany hoe amin’ny mpiray firenena aminy, izay terak’i Abrahama ihany koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra