Romana 14 - Baiboly KatolikaFitiavana ny malemy finoana (Jereo 1Kôr 8,1-13 ; 10,14-33 ) 1 Ny amin’izay malemy finoana dia raiso izy, nefa aza mitsara ny heviny. 2 Fa misy mino ho mahazo mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana, ka tsy mihinana afa-tsy ny zava-maniry. 3 Izay mihinana, aoka tsy haneso ny tsy mihinana, ary izay tsy mihinana kosa, aoka tsy hitsara ny mihinana, fa Andriamanitra no efa nandray azy. 4 Ary zovy moa ianao no mitsara ny mpanompon’ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan’izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo. 5 Ny anankiray manisy avaka ny andro, ny anankiray kosa mampitovy ny andro rehetra; samia mitoky amin’ny azy tsy amim-pisalasalana. 6 Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an’ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an’ny Tompo ihany koa, sady misaotra an’Andriamanitra izy. 7 Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany; 8 fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany. 9 Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy. 10 Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra, 11 araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra. 12 Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. 13 Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana. 14 Fantatro sy ekeko amim-pitokiana ao amin’i Jesoa Tompo fa tsy misy zava-maloto ho azy; nefa raha misy olona mihevitra zavatra ho maloto, dia maloto tokoa izany aminy. 15 Raha noho ny fihinananao no mampalahelo ny mpiray finoana aminao, dia tsy mandeha araka ny fitiavana intsony ianao, ka aza dia ny fihinananao no amerezanao olona nahafoizan’i Kristy aina. 16 Ary aoka ny soa azonao tsy hampiteny ratsy ny sasany. 17 Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. 18 Koa izay manompo an’i Kristy amin’izany no ankasitrahin’Andriamanitra, sy ankatoavin’ny olombelona. 19 Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika, 20 fa aza izay hanina no andravana ny asan’Andriamanitra. Marina fa madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy kosa ny mihinana manafintohina ny sasany. 21 Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina, na hahalavo, na hahalemy ny mpiray finoana aminao. 22 Fa tano ho anao eo anatrehan’Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy helohin’ny hitsim-pony amin’ny asa ekeny; 23 fa izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy araka ny hitsim-pony izany, ka ota izay rehetra atao tsy an-kitsim-po. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society