Fantatsika rehetra fa tian’i Jehovah Raintsika ary takiany amintsika zanany ny fiainana milamina, araka ny hita ao amin’ny (Genesisy 1:1-31). Marina tokoa fa Andriamanitry ny filaminana Andriamanitra, hitantsika amin’ny fifandimbiasan’ny fizaran-taona izany, ny fiakaran’ny ranomasina sy ny fidinany, ny fihodinan’ny masoandro, ary hatrany amin’ny firafitry ny vatantsika mihitsy aza.
Aoka isika hivavaka mba hampandaminan’Andriamanitra ny fiainantsika, tahaka ny nandaminany izao tontolo izao tany am-piandohana; mba handaminany ny fiainantsika sy ny fontsika.
Enina andro no namoronany ny tany sy izay rehetra ao aminy; ary toy izany koa, matoky ny teniny isika fa ho tanteraka amintsika ny sitrapony tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.
fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.
Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.
Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,
Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.
mba hiekenao ao am-ponao, fa toy ny ampianaran’ny olombelona ny zanany, no ampianaran’i Iaveh Andriamanitrao anao,
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:
Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsarànao; tamin’ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Izay mandà anatra manamavo ny fanahiny; fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany; nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Izany no filaharan’ny zanak’i Israely teny an-dalana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo.
Aza mitsitsy famaizana aman-janaka, fa tsy dia hahafaty azy akory raha kapohinao amin’ny tsora-kazo. Ny mikapoka azy amin’ny tsora-kazo, no anafahanao ny fanahiny amin’ny Seoly.
Faizo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy, sy hampahazo fifaliana ho an’ny fanahinao.
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.
Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsina azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra. Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny. Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo, Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony. Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana. mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana. Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Fa ianao kosa, milazà mety araka ny fampianarana marina; tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika. Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra. Izany no tsy maintsy hotorìnao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao. amin’ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana; amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara, mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra. Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry, ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana; ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka; ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra.
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika. Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa; ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika. Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.