Rehefa mijery ny asan'Andriamanitra aho ka mahita ny hatsaran'ny zavatra noforoniny, dia gaga amin'ny halehibeny sy ny filaminany. Efa hatramin'ny ela ny olombelona no niezaka nahatakatra izao rehetra izao sy ny antony namoronana azy, amin'ny alalan'ny filozofia sy ny siansa.
Kanefa, ny Baiboly dia manome antsika fomba fijery hafa izay afaka mampanan-karena ny fisainantsika momba izao rehetra izao. Ao amin'ny andininy voalohany amin'ny Genesisy, dia hitantsika ny fanambarana fa Andriamanitra no namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy. "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany" (Genesisy 1:1). Io fanambarana tsotra nefa lalina io dia milaza fa Andriamanitra no niandohan'ny zavatra rehetra noforonina. Izao rehetra izao dia nokasainy sy nalamina tamin'ny fomba mahagaga.
Ny Baiboly dia miantso antsika mba hijery mihoatra noho izay hitan'ny maso ary handinika ny antony lalina namoronana izao tontolo izao. Ao amin'ny Salamo 19:1 dia voalaza hoe: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany". Eto isika dia mahita fa izao rehetra izao dia tsy vavolombelona mangina fotsiny amin'ny halehiben'Andriamanitra, fa mampita ny fisiany sy ny heriny amintsika koa.
Izao rehetra izao dia mandrisika antsika handinika ny halehiben'Andriamanitra hita taratra amin'ny zavatra noforoniny. Manampy antsika hahatakatra fa ity tontolo iainantsika ity dia vavolombelona maneho ny fitiavana, ny hery ary ny fahendren'ny Mpamorona antsika.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.
Nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
«Ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona;
Izao no lazain’i Iaveh: Raha tahiny Aho tsy nanao fanekena amin’ny andro sy ny alina sy tsy nandahatra ny lalàna arahin’ny lanitra sy ny tany.
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra.
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Fa Ianao irery, dia Ianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy. Ianao no manome aina an’izany rehetra izany; ary mitsaoka Anao ny tafiky ny lanitra.
Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon’ny tany! Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
Mba taiza moa ianao fony Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany? Lazao raha manam-pahalalana ianao. raha mamitsaka ao amin’ny lavany ireny, na manotrika ao amin’ny kirihitr’ala? Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny? Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va? Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Amin’inona no ipetrahan’ny tongony ary iza no nametraka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak’Andriamanitra.
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany.» Dia tanteraka izany. Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra: ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
fa te hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao Aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin’ny taranaka rehetra.» - Selà
Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.
Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana. Fahaizany no nivakian’ny hantsana, sy ampitetevan’ny rahona ny ando.
Ny tanako ihany no nanorina ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin’izay izy.
Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Hoy aho: «Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo antenantenan’ny androko, Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.» Nanorina ny tany tamin’ny voalohany Ianao, ary asan’ny tananao ny lanitra. Ho velona ireo, fa Ianao kosa maharitra, hihatonta toy ny fitafiana ireo; hanova azy toy ny lamba Ianao, ka ho voaova izy.
Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.
Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy. Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iavehn’ny tafika, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! - Selà Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy, mitafy i Iaveh, misikina hery Izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.
Satria ny trano rehetra dia amboarin’ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra.
Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
Tsy any an-tampon’ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ange ny handrin’ny kintana: akory ity haavony!
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra! Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy, ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.
iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany. Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.
Anao ny andro, Anao ny alina; Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana. Ianao no nametra ny faritra rehetra amin’ny tany; Ianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.
Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Ry Jôba ô, tandremo izany zavatra izany, miatoa ianao handinika ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra. Fantatrao va ny anaovany an’izany, sy ampanjelanjelarany ny tselatra eny amin’ny rahona? Azonao va ny fihevahèvan’ny rahona, ny zava-mahagaga ataon’Ilay manam-pahalalana tanteraka,
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako? Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy; mba hinonoanareo sy hivokisanareo, amin’ny nonon’ny fampiononany; ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana, ny hafenoan’ny voninahiny. Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana. Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo. Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany. Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda. Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh. Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana hena kisoa sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.- Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro, ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo. Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao! Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo. Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony. Feno ranony ny hazon’i Iaveh, mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny. Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy; ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana, fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana, fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina, mba tsy hihoaran’ny rano ny morony; fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany.
Odian’izy ireo tsy fantatra fa hatramin’ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin’ny rano sy natao tamin’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra,
Nasiany faritra manodidina eny ambonin’ny rano, eo amin’ny fisarahan’ny mazava sy ny maizina.
Manao ny ambaratongany any an-danitra izy, ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany; miantso ny rano eo amin’ny ranomasina izy, dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany; Iaveh no Anarany.
Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,
Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony; ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana! Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena, ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin’izany! Izaho Iaveh no mahary ireo zavatra ireo.
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.
dia izay rehetra mitondra ny Anarako, izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»
Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io. Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy. Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.
Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Izao no nambarany tamin’ny feo mahery: «Matahora an’Andriamanitra; omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano.»
Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?
Izy no nahary ny Orsa, ny Telonohorefy, ny Kotokelimiadilaona, ary ny lafin’ny lanitra atsimo.
Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr’i Iaveh! hifaly amin’ny asany anie i Iaveh! Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io; manendry ny tendrombohitra Izy dia midonaka ireny.
Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinanao; nanorina ny tany Ianao, dia maharitra izy. Araka ny lalànao no mbola aharetan’ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.
mampihiboka ny rano eo amin’ny rahony; kanefa tsy miparitaka noho ny havesaran’izany ny rahona.
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Lehibe ny asan’i Iaveh; katsahin’ny olona Izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy. Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao
Esoriny amin’ny vovoka ny mahantra; atsangany hiala amin’ny zezika ny tsy manana, hampiarahiny mitoetra amin’ny mpanjaka, ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. Fa an’i Iaveh ny andrin’ny tany, ary teo amboniny no nametrahany ny tany.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.