Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Amosa 4:13 - Baiboly Katolika

13 Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon’ny tany! Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny havoana amin’ny tany: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao ny rivotra Ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny,– Dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina Ary mandia ny fitoerana avo amin’ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 4:13
38 Rohy Ifampitohizana  

Mandidy ny masoandro Izy, dia tsy miposaka io; asiany tombokase ny kintana.


Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy; mandefa ny tselatra aman-dranon’orana, mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.


fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.


Mandefa ny teniny Izy, dia mampiempo an’ireny, mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.


Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitry ny famonjena anay, tokin’ny vazantany efatra, sy ny ranomasina lavitra any.


Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tanany, ka nisy haizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana.


Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy; maizina ny ilan’io rahona io; ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.


Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?


Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.


Ny Anaran’ny Mpanavotra antsika dia Iavehn’ny tafika, ilay Masin’i Israely! -


Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely, izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.


Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.


Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.


Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.


Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.


Velona Aho, - teny marin’ny Mpanjaka, tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika: Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra, tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.


Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra; mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy, mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra, ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.


Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.


Ary i Iaveh no Andriamanitry ny tafika; i Iaveh no anarany.


Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.


Mihainoa ianareo ka lazao marina eny amin’ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika: -


koa hoentiko hatao sesitany ambadik’i Damasy ianareo, hoy i Iaveh: Andriamanitry ny tafika no Anarany.


Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.


Efa nianiana tamin’ny Tenany, ny Tompo Iaveh, - teny marin’i Iaveh Andriamanitry ny tafika. - Tsy tiako mainty ny avonavon’i Jakôba, ary halako ny lapany; ka hatolotro mbamin’izay rehetra ao aminy ny tanàna.


Amin’izany andro izany, izao no hitranga, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.


Manao ny ambaratongany any an-danitra izy, ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany; miantso ny rano eo amin’ny ranomasina izy, dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany; Iaveh no Anarany.


Fa indro i Iaveh efa hivoaka avy ao amin’ny fonenany; hidina izy handia ny havoana amin’ny tany.


I Iaveh Tompo no heriko; ataony toy ny an’ny serfa vavy ny tongotro, ary ampandehaniny eny amin’ny fitoerako avo aho. Ho an’ny filohan’ny mpihira, amin’ny zava-manenoko tendrena.


Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:


Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: «Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?


sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.


Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.»


Teo ambonin’ny havoana amin’ny tany no nampiakarany azy; ary ny vokatry ny saha no nohanin’i Israely: nampitsentsefiny azy ny tantely avy amin’ny vatolampy sy ny diloilo avy amin’ny vato mafy indrindra;


Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra