Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 48:13 - Baiboly Katolika

13 Ny tanako ihany no nanorina ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; rehefa antsoiko ireo dia indray miseho avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Eny, ny tànako no nanorina ny fanambanin’ny tany, Ary ny tànako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; rehefa antsoiko ireo dia indray miseho avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Mba mahavelatra ny rahona toa Azy va ianao, ka mampitoetra mafy azy toa varahina manganohano?


Hoy aho: «Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo antenantenan’ny androko, Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.»


Manisa ny isan’ny kintana Izy, ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra.


Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»


Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?


Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va? Tsy nisy nanambara taminareo hatramin’ny voalohany va? Tsy renareo va izay nandatsaka ny fanorenan’ny tany?


Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.


Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.


Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.


Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?


Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.


Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!


ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?


Izy no nahary ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahalalany.


araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao, eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra