Ry sakaza, fantaro fa ny fahasoavan'Andriamanitra no hery ilainanao hanatanterahana izay tsy ho vitanao amin'ny herinao. Mahafinaritra tokoa io fahasoavany io ka manjary tanteraka ao amin'ny fahalemenanao ary mahatonga anao hahatratra ny tanjonao, na dia izay toa tsy ho vita aza, ary na dia mahatsiaro ho tsy mahavita aza ianao.
Tsy noho ny fahavitanao no mahatonga Azy hankasitraka anao, fa amin'ny fanetren-tenanao eo anatrehany sy ny fiekena fa tsy mahavita ianao, ka vao miasa Izy. Asehony anao fa tsy lavorary ianao, nefa tiana, ary kely ianao raha tsy misy an'Andriamanitra, nefa lehibe eo anatrehan'ny fahavalonao.
Mahatonga anao ho mora mandray ny Fanahy Masina ny fahasoavany, nefa koa mahatonga anao ho tsy mety resy eo anatrehan'ny teti-dratsin'ny devoly. Noho ny herin'ny fahasoavany no ahaizanao maharitra, na dia imbetsaka aza no te hilavo lefona ianao.
Na mety hiampanga anao aza izao tontolo izao ka hilaza fa tsy hisy zavatra tsara hivoaka avy aminao, ny fahasoavany kosa manambara anao ho ekena ary mampirisika anao hanatona amim-pahatokiana ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra. Tsy handre hoe tsy azo avela ny helokao ianao, fa hahita famindram-po sy fahafahana ao amin'ny fahasoavany.
Anio Andriamanitra dia miteny aminao hoe: "Tiako ianao", ary miharihary izany fitiavany izany rehefa jerenao izay rehetra nataony ho anao. Noho ny fahasoavany dia voavonjy ianao, voavotra, voavela heloka ary ekena eo anoloan'ny seza fiandrianany mba hanatanteraka ny antom-pisianao ety an-tany.
Aza matoky ny fahendrenao; fa miankina amin'ny fahasoavan'Andriamanitra, dia ho hitanao ny fomba hanandratany ny tarehinao isan'andro, hanodidiny anao amin'ny fitahiany, hanomezany anao hery hiatrehana ny fitsapana, ary hanamarinana anao amin'ny ran'i Jesosy. "Romana 3.24, fahamarinina avy amin'ny fahasoavany maimaimpoana isika noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy."
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Amin’izany dia tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin’ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana i Kristy.»
Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,
Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Ny Evanjely efa tonga atỳ aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atỳ aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,
Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,
Ary rariny ny iheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko ianareo rehetra, noho ianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin’ny fifatorako, na amin’ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely.
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Tahaka ny tendrombohitr’Andriamanitra ny hatsaram-ponao, toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsarànao. Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby. Akory ity hasarobidin’ny hatsaram-ponao, Andriamanitra ô. Ny aloky ny elatrao no itadiavan’ny zanak’olombelona fialofana.
Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna, ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
Fa izao no voninahitray: ny kônsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendren’ny nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena tamin’izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.
Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa. ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô, sy ny famonjenao araka ny teninao!
Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin’ny fahotana ihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana? Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra. Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny; ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana. Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany! Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana? Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; ary rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana. Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany?
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna. Fa ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany,
Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna. Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra, satria amin’ny finoana no hiveloman’ny marina. Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana, fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy. Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo, mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.
Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izaho Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,
fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra, fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Tompontsika,
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka.
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina, Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany. mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony, sy noho isika manana mpisorom-be mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa; fa raha avy amin’ny asa, dia tsy mba fahasoavana intsony.
fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Aza mety havilin’ny fampianarana samihafa ianareo; fa aleo mampiorina ny fo amin’ny fahasoavana, toy izay amin’ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy.
Hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana.
Fa noho ny fahasoavan’i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena, tahaka ny azy ireo ihany koa.»