Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Efesiana 1:7 - Baiboly Katolika

7 Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan’Andriamanitra ny harem-pahasoavany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan’Andriamanitra ny harem-pahasoavany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany

Jereo ny toko dika mitovy




Efesiana 1:7
67 Rohy Ifampitohizana  

dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›


Fa ao aminao ny famelan-keloka, mba hanajan’ny olona Anao.


Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.


Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.


mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»


Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.


Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.


Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.


Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.


Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.


Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.


Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.


dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»


fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.


avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay;


Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.


mba hanome ny olony ny fahalalàm-pamonjena amin’ny famelana ny helony.


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.»


Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.»


Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: «Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.


Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.


Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo.


Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?


fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.


Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:


na te hampahafantatra ny haren’ny voninahiny koa Izy, ka nanomana rahateo an’ireo fanaky ny famindram-po ho amin’ny voninahitra,


Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,


Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.


sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.


ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,


nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.


izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,


Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,


mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany, amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.


mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy,


Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,


Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.


dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.


dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.


Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.


mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,


izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,


Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.


Izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;


Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny Anarany.


Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.


Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.


Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;


Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra