Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 20:28 - Baiboly Katolika

28 dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 20:28
35 Rohy Ifampitohizana  

dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›


Ireny dia mitoky amin’ny hareny, mirehareha amin’ny haben’ny ananany!


Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.


Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?


vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana,


ary izay te ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo.


fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.


Ary hoy i Jesoa taminy: «Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.»


Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»


Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.


Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy ny mihinana amin’ny latabatra va? Ary Izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo.


tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.


Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.


Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.


Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,


Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,


Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.


Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.


dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;


no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.


ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra