Andininy ao amin’ny Baiboly

dokam-barotra


Sokajy Kely

142 Andinin-teny ao amin’ny Baiboly Momba ny hatsaran’Andriamanitra


Salamo 27:4

Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.

Chapter    |  dikan
Salamo 96:6

Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana; ao amin’ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.

Chapter    |  dikan
Eksodosy 15:11

Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?

Chapter    |  dikan
Salamo 104:1

Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao!

Chapter    |  dikan
Salamo 145:5

Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga.

Chapter    |  dikan
Isaia 33:17

Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin’ny tarehiny, hahatsinjo tany midadasika lasa lavitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 90:17

Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!

Chapter    |  dikan
Salamo 8:1-2

Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida.

Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!»

Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!

Chapter    |  dikan
Salamo 19:1

Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida.

Chapter    |  dikan
Salamo 29:2

Omeo an’i Iaveh, ny voninahitry ny Anarany. Mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.

Chapter    |  dikan
Salamo 50:2

Avy ao Siôna, fahatsaran-tarehy lavorary, no amirapiratan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 63:2

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina; mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko, ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano.

Chapter    |  dikan
Salamo 148:1-5

Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any!

biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra,

mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany,

zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza.

Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.

Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia!

Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra!

Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra.

Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra.

Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.

Chapter    |  dikan
Salamo 104:24-25

Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.

Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.

Chapter    |  dikan
Salamo 147:5

Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.

Chapter    |  dikan
Isaia 40:12

Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?

Chapter    |  dikan
Salamo 111:2

Lehibe ny asan’i Iaveh; katsahin’ny olona Izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.

Chapter    |  dikan
Salamo 78:41

Naka fanahy an’Andriamanitra tsy an-kijanona izy ireo, ary nihantsy an’ilay Masin’i Israely!

Chapter    |  dikan
Salamo 119:64

Henika ny hatsaram-ponao ny tany, ry Iaveh, ampianaro ny lalànao aho.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:3

Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!

Chapter    |  dikan
Salamo 96:3

ambarao amin’ny firenena ny voninahiny, ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany.

Chapter    |  dikan
Romana 1:20

Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,

Chapter    |  dikan
Salamo 119:14

Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 4:7

Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!

Chapter    |  dikan
Isaia 61:3

Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

Chapter    |  dikan
Isaia 42:8

Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.

Chapter    |  dikan
Salamo 63:3

Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:6

Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.

Chapter    |  dikan
Salamo 93:1

Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy, mitafy i Iaveh, misikina hery Izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.

Chapter    |  dikan
Salamo 104:2

Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.

Chapter    |  dikan
Salamo 84:11

Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.

Chapter    |  dikan
Salamo 36:5

Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:17

Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao, mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao.

Chapter    |  dikan
Matio 5:16

Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 40:5

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.

Chapter    |  dikan
Isaia 53:2

Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:12

mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:118

Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.

Chapter    |  dikan
Salamo 139:14

Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 8:3-4

Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.

Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:

Chapter    |  dikan
Isaia 55:12

Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:129

Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko.

Chapter    |  dikan
Salamo 19:7-9

Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.

Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.

Mahitsy ny fandidian’i Iaveh, ka mahafaly ny fo; madio ny didin’i Iaveh, ka mampahazava ny maso.

Chapter    |  dikan
Salamo 22:3

Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.

Chapter    |  dikan
Salamo 126:3

Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa i Iaveh; ka revon-kafaliana isika.

Chapter    |  dikan
Salamo 84:2

Mahatehotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn’ny tafika!

Chapter    |  dikan
1Tantara 29:11-12

Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!

Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 86:9

Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.

Chapter    |  dikan
Salamo 116:5

Mamindra fo sy marina i Iaveh, miantra ny Andriamanitsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 30:18

Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!

Chapter    |  dikan
Matio 6:28-29

Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;

kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.

Chapter    |  dikan
Salamo 139:5

Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko Ianao, ary apetrakao amiko ny tananao.

Chapter    |  dikan
Salamo 65:8

mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-

Chapter    |  dikan
Salamo 27:1

Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?

Chapter    |  dikan
Salamo 31:19

Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.

Chapter    |  dikan
Salamo 36:9

Boboky ny menaky ny tranonao izy; ary onim-pifaliana no ampisotroanao azy.

Chapter    |  dikan
Hebreo 1:3

Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:168

Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny lalako.

Chapter    |  dikan
Salamo 16:11

Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.

Chapter    |  dikan
Salamo 22:26

Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.

Chapter    |  dikan
Isaia 61:10

Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

Chapter    |  dikan
Salamo 72:17

Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!

Chapter    |  dikan
Salamo 145:8-9

Mamindra fo sy miantra i Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po.

Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.

Chapter    |  dikan
Isaia 61:1

Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

Chapter    |  dikan
Salamo 148:13

Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan
Romana 11:33

Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!

Chapter    |  dikan
Salamo 37:4

I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.

Chapter    |  dikan
Salamo 139:16

Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.

Chapter    |  dikan
Salamo 8:5

«Inona ny olombelona no mba tsarovanao? ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?

Chapter    |  dikan
Salamo 104:31

Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr’i Iaveh! hifaly amin’ny asany anie i Iaveh!

Chapter    |  dikan
Salamo 96:9

Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!

Chapter    |  dikan
Salamo 78:72

Dia nitarika azy araka ny fahitsian’ny fony, i Davida, ary nitondra azy tamin’ny tanana kinga.

Chapter    |  dikan
Isaia 43:1

Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!

Chapter    |  dikan
Salamo 126:5-6

Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana.

Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.

Chapter    |  dikan
Salamo 46:4-5

na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina, ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra; ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.

Chapter    |  dikan
Salamo 19:10

Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:47

Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 16:6

Norefesin’ny famolaina izay anjarako soa, eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.

Chapter    |  dikan
Salamo 63:1

Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà .

Chapter    |  dikan
Salamo 111:3

Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Chapter    |  dikan
Matio 5:45

mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.

Chapter    |  dikan
Salamo 139:1-2

Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao:

ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy.

Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...»

Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana.

Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny.

Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.

Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.

Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.

Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany!

Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!

Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra!

fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 29:9

Mampiteraka ny serfa vavy ny feon’i Iaveh, sady mampihintsan-dravina ny ala be; ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»

Chapter    |  dikan
Isaia 61:3-4

Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny; hamboatra ny tanàna simba, mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:5-6

Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;

hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.

Chapter    |  dikan
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.

Chapter    |  dikan
Salamo 121:1-2

Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?

Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 3:17

Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 63:5

Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao.

Chapter    |  dikan
Salamo 128:5

I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna! Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao!

Chapter    |  dikan
Salamo 30:11-12

Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -

Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,

Chapter    |  dikan
Salamo 33:5

Tia ny rariny sy ny hitsiny Izy; henika ny hatsaram-pon’i Iaveh ny tany.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:152

Efa fantatro ela ny amin’ny fampianaranao, fa naorina ho mandrakizay izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 86:15

Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.

Chapter    |  dikan
Salamo 118:1

Miderà an’i Iaveh, fa tsara fo Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony!

Chapter    |  dikan
Salamo 5:12

Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.

Chapter    |  dikan
Isaia 54:10

Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.

Chapter    |  dikan
Salamo 19:14

Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.

Chapter    |  dikan
Salamo 67:1-2

Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.

Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra! hampamirapiratra ny Tavany amintsika anie Izy! - Selà

Chapter    |  dikan
Isaia 52:7

Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»

Chapter    |  dikan
Salamo 84:5

Sambatra izay monina ao an-tranonao! Mbola mahazo midera Anao izy ireo! - Selà

Chapter    |  dikan
Salamo 119:159

Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao.

Chapter    |  dikan
Salamo 138:5

Hankalaza ny lalan’i Iaveh izy ireo, fa lehibe ny voninahitr’i Iaveh.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:10

Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao.

Chapter    |  dikan
Salamo 130:7

Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.

Chapter    |  dikan
Salamo 72:19

Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amen! Amen!

Chapter    |  dikan
Salamo 37:10

Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 116:1

Tiako Izy, satria ren’i Iaveh, ny feoko, ny fitarainako.

Chapter    |  dikan
Salamo 56:10

Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
Isaia 55:10-11

Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;

toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 9:1

Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.

Chapter    |  dikan
Salamo 66:2

Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.

Chapter    |  dikan
Isaia 63:7

Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh, ny fiderana an’i Iaveh, noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely, izay nasehony azy araka ny fiantràny sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 36:5-6

Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy.

Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.

Chapter    |  dikan
Salamo 71:8

Ho feno fiderana Anao anie ny vavako, hankalaza ny hasoavanao isan’andro anie izy.

Chapter    |  dikan
Isaia 40:11

Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.

Chapter    |  dikan
Salamo 84:11-12

Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.

Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny.

Chapter    |  dikan
Salamo 138:7

Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:66

Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:11-12

Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao;

mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 5:8

Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana Anao aho.

Chapter    |  dikan
Isaia 25:1

Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.

Chapter    |  dikan
Salamo 147:4-5

Manisa ny isan’ny kintana Izy, ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra.

Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:105

Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako.

Chapter    |  dikan
Isaia 43:4

Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:1-2

Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.

Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao.

Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao;

mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.

Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.

Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.

Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.

Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh, ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.

Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.

Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.

Sitrako ny misaotra Anao isan’andro, sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria!

Chapter    |  dikan
Salamo 16:9

Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko; mandry tsy amin’ahiahy mbamin’ny vatako aza.

Chapter    |  dikan
Salamo 139:13

Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny.

Chapter    |  dikan
Salamo 96:1-2

Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra.

Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»; ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy,

Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala,

eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.

Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny,

Chapter    |  dikan
Salamo 112:4

Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.

Chapter    |  dikan
Salamo 66:5

Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:16

Ataoko fifaliana ho ahy ny lalànao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao.

Chapter    |  dikan
Isaia 54:13

Ho mpianatr’i Iaveh avokoa ny zanakao rehetra, ary ho be fiadanana ny zanakao.

Chapter    |  dikan
Salamo 5:3

Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.

Chapter    |  dikan
Salamo 39:4

nirehitra tato anatiko ny foko; tamin’ny fieritreretako dia nisy afo nirehitra, ka tonga teo amin’ny lelako ny teny.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:145

Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 15:30

Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo; ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.

Chapter    |  dikan
Salamo 148:1-2

Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any!

biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra,

mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany,

zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza.

Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.

Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia!

Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra!

Chapter    |  dikan
Salamo 145:20

Miambina izay rehetra tia Azy i Iaveh, ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 23:6

Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho, mandritra ny andro lava.

Chapter    |  dikan
Salamo 77:13

Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra, sy mandinika ny zava-dehibe nataonao.

Chapter    |  dikan