Ireo mpaminany dia olona nofidin’Andriamanitra hitondra ny teniny amin’ny olony. Matetika izy ireo no nirahina hampitandrina ny amin’ny voka-dratsin’ny fahotana sy hampirisihana ny fivavahana ary ny fankatoavana an’Andriamanitra tokana sady marina. Tsy mora foana ny asan’izy ireo satria niatrika fanoherana sy fandavana avy amin’ireo tsy nety nihaino ny hafany izy ireo.
Ao amin’ny Testamenta Taloha, ahitantsika mpaminany toa an’i Isaia, Jeremia, Ezekiela, Elia ary Elisa, ankoatra ny hafa. Nahita fahitana sy nahazo fanambarana avy amin’Andriamanitra izy ireo izay nozarainy tamin’ny zanak’Isiraely. Ny tenin’izy ireo, feno fahendrena sy fitiavana an’Andriamanitra, dia mampisaintsaina antsika momba ny fifandraisantsika Aminy.
Ny iray amin’ireo fampianarana lehibe azontsika raisina avy amin’ireo tantaran’ny mpaminany dia ny maha-zava-dehibe ny fahatokiana sy ny fibebahana. Nampirisika ny olona hiala amin’ny lalan-dratsy sy hiverina amin’ny Tompo ireo mpaminany. Amin’ny alalan’ny hafatr’izy ireo, dia hitantsika ny fanirian’Andriamanitra fifandraisana akaiky sy feno fanoloran-tena amin’ny olony, ary koa ny fomba itakiany fankatoavana sy fahamarinana.
Ankehitriny, eto amin’izao tontolo izao feno faharatsiana sy fahalotoana, dia zava-dehibe ho an’ireo mpaminanin’Andriamanitra ny mihazona fifandraisana akaiky amin’ny Fanahy Masina. Amin’izany no tsy hahavery lalana azy ireo, tsy hahavoafitaka azy, ary tsy hanaiky zavatra mety hampiteny azy ireo izay tsy nolazain’Andriamanitra. Koa aoka mba hotandremana ny fo, amin’ny fahamasinana sy ny fahitsiana, ary aoka hiorim-paka amin’ny didy sy ny foto-kevitr’ Andriamanitra isika.
Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra, ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.
Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»
Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy. Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany.
Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta:
Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany mpanompony.
«Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»
Dia hoy Izy tamiko nanao hoe: «Mitsangàna, ry zanak’olona, fa hiteny aminao Aho». Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo. Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an’Ilay niteny tamiko aho. Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ianao va no nolazaiko tamin’ny andro fahiny, tamin’ny vavan’ireo mpanompoko, ny mpaminanin’i Israely, izay naminany nandritra ny taona maro, tamin’izany andro izany, ny amin’ny hampiakarako anao hamely azy ireo?
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»
Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraôna tsy mbola namely an’i Gazà.
Dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.»
Ary ny tenin’i Iaveh dia nampitondraina tamin’ny alalan’i Jehoa, mpaminany, zanak’i Ananì, hihatra amin’i Baasà sy ny tranony noho ny ratsy rehetra nataony teo imason’i Iaveh, nampahatezerany Azy tamin’ny asan’ny tanany, sy nanahafany ny tranon’i Jerôbôama, ary noho izy namono izany fianakaviana izany koa.
Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany; Ary izao koa: Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra. Izy ireo ho levona, fa Ianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, ary havalonao toy ny lamba, ka hovana avokoa; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Ary iza tamin’ny Anjely no nataony hoe: Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena? fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.
Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny taranak’i Amôna ny tavanao, ka maminania ny hanjò azy ireo.
Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Tira - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy, satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy, fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,
Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo. Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao Aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.
«Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianao!
fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra fa hijaly i Kristy.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe: «Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako»
Io Môizy io ihany koa no nilaza tamin’ny zanak’i Israely hoe: ‹Andriamanitra hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, dia hihaino azy ianareo.›
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Asafa . Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony? Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà Hoy aho: «Izao no dia mankararirary ahy: niova ny tanana ankavanan’Andriamanitra!» Te-hampahatsiaro ny asan’i Iaveh aho fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny. Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra, sy mandinika ny zava-dehibe nataonao. Andriamanitra ô, masina ny lalanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika. Ianao no Andriamanitra mahavita fahagagana, naneho ny herinao tamin’ny firenena Ianao. Navotanao tamin’ny sandrinao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba sy i Josefa. - Selà Nahita Anao ny rano, ry Andriamanitra ô, nahita Anao ny rano dia nangovitra; nihoviotrovotra ny hantsana. Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon’ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao. Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany. Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko, ka mitaraina aho; miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko: aoka hihaino ahy anie Izy. Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao. Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, Ianao tamin’ny tanan’i Môizy sy i Aarôna. Mitady ny Tompo, amin’ny andron’ny fahoriako aho; manandra-tanana tsy mety vizana aho, nony alina; lavin’ny fanahiko avokoa ny fampiononana.
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.
Ary ianareo, ry ondriko, ondry andrasako: dia olombelona ianareo; ary Izaho dia Andriamanitrareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta; mbola hampitoetra an-day anao Aho toy ny amin’ny andro fety.
Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain’i Iavehn’ny tafika azy ireo, nolazain’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin’i Iavehn’ny tafika.
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro ianao efa nataoko ho andriamanitra eo imason’i Faraôna, ary i Aarôna rahalahinao no ho mpaminaninao.
Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn’Andriamanitra ianao, izay misy miaramila Filistinina mpiambina. Rehefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin’ny mpaminany maro, andiany iray, midina avy any amin’ny fitoerana avo, ialohan’ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany.
Ary ny amin’ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra.
Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao, ary izaho no mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo izay soratako ho anareo,
Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
dia ny Jody izay namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany; nanenjika anay, tsy ankasitrahin’Andriamanitra, manohitra ny olona rehetra;
Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»
fa amin’ny andro hampandrenesan’ny Anjely fahafito ny feony, amin’ny fitsofana ny trômpetra, dia ho tanteraka ny misterin’Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony,
Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo tany Ejipta, ka mandrak’androany, dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo aho, naniraka azy vao maraina isan’andro aho;
Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny mpaminany havanao, mbamin’izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy.»
«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?
Izany no nanaovan’ny Fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
Tamin’izany andro izany, dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema tonga tao Antiôkia. Ary voatsindrin’ny Fanahy Masina ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Agabosy, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin’izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin’ny andron’ny Klaody.
Nony nitoetra tao andro vitsivitsy izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabosy tonga avy any Jodea. Vao tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, namatorany ny tongotra aman-tanan’ny tenany, ka hoy izy hoe: «Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Hafatotry ny Jody any Jerosalema toy izao ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hatolony eo an-tanan’ny Jentily.»
Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»
Nony vao tonga tany amin’ity olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia namihina ny tongony. Nanatona hanifika azy i Giezỳ, fa hoy ny olon’Andriamanitra: «Avelao izy, fa difotr’alahelo ny fony, ary nafenin’i Iaveh tamiko izany, fa tsy nampahalalainy ahy.»
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Tonga ny tenin’i Iaveh nanao hoe: noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako, nanao hoe: «Fiadanana!» nefa tsy nisy fiadanana tsinona. Manao manda ny vahoakako, dia indreny izy mandalotra sokay an’izany! Dia lazao amin’izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda. Ho avy ny ora-mahery! Milatsaha, ry havandra vato! Mifofofofoa, ry tafio-drivotra! Indro, nirodana ny manda! Tsy hilazan’ny olona va ianareo, hataony hoe: «Aiza ity sokay nandaloranareo azy?» Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako. Harodako ny manda nolalorinareo sokay; hazerako amin’ny tany izy; ka hihanjahanja eo ny fanambaniny; hirodana izy, ary ianareo ho faty eo amin’ny antontany; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho. Hanala fo ny hatezerako amin’ny manda Aho, sy amin’izay nandalotra sokay azy, ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda! Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy, dia ireo mpaminanin’i Israely, izay naminany ny amin’i Jerosalema, sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy; nefa tsy nisy fiadanana tsinona; - Teny marin’i Iaveh Tompo. - Ary ianao, ry zanak’olona, atodiho ny tavanao, hanandrina ireo zanaka vavin’ny firenenao, izay maminany araka ny sitrapony; ka maminania famelezana azy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an’ny famavanin-tanana rehetra; sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin’ny fandrika. Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona! Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo, hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga. Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany; ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo: Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halàko ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin’ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho, mba ho afa-manidina ireny. Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho. Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy; noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo, na hahazo hitsak’andro intsony; hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho. Izao no tenin’i Iaveh Tompo: Loza ho an’ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!
Koa alina no ho azonareo ho solon’ny fahitana; ary haizina ho solon’ny faminaniana; ny masoandro hilentika amin’ny mpaminany ary ny andro ho maizina amin’izy ireo. Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra. Fa izaho kosa feno hery, omban’ny Fanahin’i Iaveh, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin’i Jakôba ny helony; sy amin’i Israely ny fahotany.
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry mpitsaran’i Sôdôma; mitongilàna sofina amin’ny lalàn’ny Andriamanitsika, ry vahoak’i Gômôra.
Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.
«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.
«Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay; ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!
Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay; ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana
Fa maro noho ny volon-dohako, ry zareo mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery ry zareo mitady hahavery ahy, izay mitsangan-ko fahavaloko tsy amin’ny antony. Izay tsy nalaiko tsy maintsy averiko.
Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany,
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.»
Fa hoy Izy tamin’ireo: «Zavatra inona moa izany?» Dia hoy ireo: «Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.»
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
I Paoly Apôstôly, tsy avy amin’olombelona, na avy amin’ny alalan’olombelona, fa avy amin’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana Azy ho velona,
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baràka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpaminany: fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;
Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,
Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.
Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza. Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin’ny Anaran’i Iaveh, dia i Oria, zanak’i Semeià, avy any Kariatiarima; izay novinanin’i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjò an’ity tanàna ity, sy ity tany ity. Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta. Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta. Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka. Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy. Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.
Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Rehefa ho tonga izany zavatra izany, - sady indro efa tonga tokoa izany - dia ho fantatr’izy ireo, fa efa nisy mpaminany teo aminy.
Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy i Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny. Tamin’izany andro izany nony nandry i Helì teo amin’ny fitoerany, ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy, Fantatr’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin’i Iaveh marina tokoa i Samoela.
Ny famantaranay, tsy hitanay intsony; ny mpaminany, tsy misy intsony; ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no...
Dia notohiziny hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Novonoina tsy nasiana famindram-po akory izay nandika ny Lalàn’i Môizy, notondroin’ny vavolombelona roa na telo;
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Koa ianao, ry zanak’olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an’ny taranak’i Israely, ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao dia hanaitra azy amin’ny Anarako.
Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: «Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.
Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy.
Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy.
fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorina taminareo.
satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana nentin’ny sitrapon’ny olona, fa ny Fanahy Masina no nampiteny ny olo-masin’Andriamanitra izay notsindriany.
Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo mpaminany izay nampaniasia ny vahoakako; izy ireo raha mbola manan-kokaikerina ny nifiny, mitory ny fihavanana; izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia ilazany avokoa fa hiady:
Ary izay mpaminany naminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’i Iaveh marina tokoa.»
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra, Izay naha-voahosotra antsika, sy nanisy tombokase antsika, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.
Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.
Hifaly ny mponina etỳ ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetỳ an-tany ireo mpaminany roa ireo.