2Tantara 20:20 - Baiboly Katolika20 Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201120 Ary nifoha vao maraina izy ireo dia niainga nankany an-tany efitr’i Tekoa; teo am-piaingàna dia nitsangana i Josafata ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny dia hambinina ianareo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA20 Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy hianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo. Jereo ny tokoMalagasy Bible20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. Jereo ny toko |