Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra. Manangona ny ranon’ny ranomasina izy toy ny zavatra iray miavosa, ny ranon’ny hantsana ataony ao amin’ny fanangonana azy. Aoka hatahotra an’i Iaveh ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao. Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Raha efa izany dia hoy Andriamanitra: «Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.» Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.
Mba taiza moa ianao fony Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany? Lazao raha manam-pahalalana ianao. raha mamitsaka ao amin’ny lavany ireny, na manotrika ao amin’ny kirihitr’ala? Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny? Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va? Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Amin’inona no ipetrahan’ny tongony ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao! Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo. Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony. Feno ranony ny hazon’i Iaveh, mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny. Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy; ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.
Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona;
Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon’ny tendrombohitra. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy; mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra! Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.
Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany.» Dia tanteraka izany. Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra: ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.» Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: «Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.»
Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ny tanako ihany no nanorina ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin’izay izy.
Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe. Mivezivezy ao ny sambo, mbamin’i Leviatàna nataonao hilalao eo amin’ny onja.
Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy. Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony. Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.
Hoy aho: «Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo antenantenan’ny androko, Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.»
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy. Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iavehn’ny tafika, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! - Selà Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Manisa ny isan’ny kintana Izy, ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra. Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka, no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinanao; nanorina ny tany Ianao, dia maharitra izy.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana. Fahaizany no nivakian’ny hantsana, sy ampitetevan’ny rahona ny ando.
araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao, eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.
Ary hoy Andriamanitra: «Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. Hoy Andriamanitra: «Misia ny mazava.» Dia nisy ny mazava. Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voromanidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.» Dia tanteraka izany.
Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra, tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.
Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.
Ary izao koa: Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida. Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!» Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana, fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana, fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina, mba tsy hihoaran’ny rano ny morony; fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany.
Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy, mitafy i Iaveh, misikina hery Izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.
Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany.
Ny fotsy volo no manam-pahendrena, ary ny andro lava no mahavokatra fahamalinana. Ao amin’Andriamanitra no onenan’ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.
Ny andro mitory fiderana amin’ny andro, ny alina mampandre izany amin’ny alina. Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:
dia izay rehetra mitondra ny Anarako, izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»
Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rehefa voaary izy, rehefa vitan’i Iaveh Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.
Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»
Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala? Efa hitanao va ny fitahirizana ny havandra? izay tahiriziko ho vonon-ko amin’ny andro fampahoriana, dia amin’ny andro misy ady aman-tafika?
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,
Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.
Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.
Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida. Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy. Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro. Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe. Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako, mbamin’ny fitiavan’ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany. Ny andro mitory fiderana amin’ny andro, ny alina mampandre izany amin’ny alina.
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Raha efa izany dia hoy Andriamanitra: «Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.»
Satria ny trano rehetra dia amboarin’ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra.
Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga. Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.
Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.
Ry Jôba ô, tandremo izany zavatra izany, miatoa ianao handinika ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra.
Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any? Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no mampiorina mafy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Mahalala izany va ianao?
Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.
Manao izay tiany rehetra i Iaveh, eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.
Koa iza àry no hampitovinareo Ahy, ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina? Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
Ary i Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.
Ny oram-panala ilazany hoe: ‹Milatsaha amin’ny tany›; ny tandrifin-drahona mbamin’ny orana mivatravatra baikoiny.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Mahalala ny fotoana fiterahan’ny osy dia va ianao? Nodinihinao va ny serfa vavy raha miteraka izy? Hafatotrao amin’ny tady eny am-bava asanao, na hanaraka anao hamaky bainga eny an-dohasaha? Hitokianao va izy satria matanjaka tokoa, ka havelanao hanao ny asanao va? Hitokianao hampiditra ny vokatrao va izy? sy hanangona ny varinao ho eo am-pamoloanao? Mikopakopaka an-kafaliana ny elatry ny ostritsa, fa tsy mba manana elatra be antra na ny volon’ny vanobe izy. Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny, dia avelany hohafanain’ny fasika. Hadinony fa mety ho voahitsaky ny tongotra, na ho montsan’ny biby any an-tsaha. Mafy fo ho an’ny zanany, hoatra ny tsy azy akory izy, tsy mampaninona azy na dia foana aza ny asany. Fa nolavin’Andriamanitra tsy ho azy ny fahendrena, ary tsy mba nomeny azy ny fahalalana. Rehefa mikopaka elatra sy miezaka kosa anefa izy, ihomehezany foana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Ianao va no manome hery ny soavaly, sy mandravaka vombo mihofahofa amin’ny vozony, Mba efa nanisa ny volana maha-bevohoka ireny va ianao, ka mahafantatra ny fotoana fiterahany? ary mampitsipika azy hoatry ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana. Mihehy tany amin’ny tongony izy sady miedinedina noho ny heriny, miantoraka hanetra ny ady izy. Ihomehezany fotsiny ny fampitahorana, fa tsy misy mampimàlo azy akory, ka tsy mianòtra izy eo anoloan’ny sabatra. Mifioka eny ambony eny ny zana-tsipìka, ny lefona manelatselatra sy ny longy. Mihivingivina izy, mihoalahoala izy, mirimorimo mafy erỳ izy, tsy mahajanona intsony nony vao velona ny bingona. Vao mandre ny feon’ny bingona izy dia milaza hoe: ‹ndao!› mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akora lavan’ny mpiady. Fahendrenao va no iezahan’ny voromahery hanidina, sy hamelarany ny elany hianatsimo? Baikonao va no hisondrotan’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? Monina eny amin’ny haram-bato izy, miorim-ponenana eny an-tsefatsefa-bato, an-tampon’ny havoana. Avy eny izy, no mitsikilo ny rembiny, ka mahiratra mahatazana lavitra ny masony. Mandohalika ireny, miteraka ny zanany, dia tapitra eo no ho eo ny fanaintainany. Ra no fisotron’ny zanany; ary izay misy faty, dia ahitana azy avokoa». Mihamatanjaka sy mihalehibe any an’efitra ny zanany, dia lasa izy ka tsy miverina intsony.
satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany. izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina, Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Fa tahaka ny lanitra vaovao, sy ny tany vaovao efa hoarîko, haharitra eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh,- no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.
Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany; sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.
Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra: ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa.
Ianao va no mamòna ny kofehin’i Ikotokelimiadilaona, sa hainao vahana ny gadran’ny telonohorefy? Ianao va no mampiposaka ny antokon-kintana amin’ny fotoany, sy mitarika ny Orsa omban’ny zanany? Mahalala ny lalan’ny lanitra va ianao, sy mandahatra ny asan’ny heriny amin’ny tany?
Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Dia hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko, ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.
Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina.
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina, ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalòvana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy
Saingy nandositra teo anoloan’ny fanandrinanao ireny, lasa nirifatra aman-tahotra noho ny feon’ny kotrok’oranao izy. Dia nitranga ny tendrombohitra, nilempona ny lohasaha, teo amin’ny toerana voatendrinao ho azy avy.
Aoka ny mpiavonavona nampahory ahy tsy an-drariny ho menatra; izaho kosa misaintsaina ny didinao.
Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»
«Nanana ahy hatramin’ny fiandohan’ny lalany i Iaveh, dia talohan’ny asany ela indrindra. Efa niorina hatramin’ny mandrakizay aho, hatramin’ny voalohany, talohan’ny niandohan’ny tany. Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano. Talohan’ny nanorenana ny tendrombohitra; efa teraka aho talohan’ny havoana;
Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tanan’i Iaveh no nanao izany, ary ilay Masin’i Israely no nahary izany.
Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.