«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Iaveh ô! nigagana noho ny heriny ny tananao havanana, Iaveh ô! nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.
Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.
Ary nisy hoatra ny feon’olona marobe, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary sahala amin’ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: «Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka.
Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ka hanangana antsika amin’ny heriny koa.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iaveh mahery sy mahefa, I Iaveh mahery an’ady.
Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?
Andriamanitra ô, masina ny lalanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Tamin’ny tanana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Manisa ny isan’ny kintana Izy, ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra. Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?
I Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo. Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.
Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany?
Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho! Nampisikina anao Aho, fony ianao mbola tsy nahalala Ahy; mba hahafantaran’ny olona, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!» Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.
ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra, mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina, mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.
Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra.
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.
Manjaka mandrakizay amin’ny fahefany Izy, mitsinjo ny firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy. - Selà
Ny Tsitoha tsy azontsika takarina, fa lehibe amin’ny hery, amin’ny rariny, amin’ny fahamarinana; tsy mamoaka izay nataony na amin’iza na amin’iza Izy.
Mahari-po ela i Iaveh sady be hery ary tsy misy meloka avelany fotsiny. Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh, ary rahona no vovoka diaviny.
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.»
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;
Manao izay tiany rehetra i Iaveh, eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny;
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy. Tabôra sy Hermôna indray mientana amin’ny Anaranao.
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe: «Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.
Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy, mitafy i Iaveh, misikina hery Izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.
dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Fa iza no Andriamanitra raha tsy i Iaveh ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika? Andriamanitra no trano mimandako mahery, mitondra ny olo-marina amin’ny lalany Izy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.
Aza mivadi-po amin’izy ireo, fa eo afovoanao i Iaveh Andriamanitrao, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
Niseho taminy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba anao i Iaveh, ry lehilahy mahery.» Fa hoy i Jedeôna taminy:
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Fa ny antony namelako anao haharitra toy izay, dia ny mba hahitanao ny fahefako, ary mba hanehoehoan’ny Anarako amin’ny tany rehetra.
Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa i Iaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.
Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?
Mihoatra noho ny feon’ny ranobe, sy ny onjan-dranomasina mahery, dia be voninahitra i Iaveh any amin’ny avo!
Izy no nahary ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahalalany.
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etỳ an-tany ny Zanak’olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»
Amin’ny safodrano dia mipetraka ao ambonin’ny fiketrahany i Iaveh, mipetraka ao amin’ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay i Iaveh.
toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.
Nanaraka izany, dia hoy Izy tamiko: «Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampisotroiko maimaim-poana amin’ny loharanon’aina izay mangetaheta.
Moa tsy tompon’ny tanimanga va ny mpanefy vilany, ka mahazo manao zavatra samihafa amin’ny vongana iray monja: ny iray moa hohajaina, ny iray kosa hatao tsinontsinona?
Ary izao koa: Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra. Izy ireo ho levona, fa Ianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, ary havalonao toy ny lamba, ka hovana avokoa; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao! Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo. Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony. Feno ranony ny hazon’i Iaveh, mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny. Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy; ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.
Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga. Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.
Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.
Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona. Nampodiny ho tany maina ny ranomasina, ka nandeha tongotra namaky ny ony ny olona, dia faly taminy izahay.
Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Maneke ny fahefan’Andriamanitra! Ny fiandrianany ao amin’i Israely, ny fahefany eny amin’ny rahona.
Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?
Ianao no mamindra fo amin’ny arivony sy mamaly ny heloky ny ray, eo an-kibon’ny zaza mandimby azy, ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery, izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika, lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa; ny masonao ajerinao ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny lalany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy.
Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra. Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon’ny tendrombohitra. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy; mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.
Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho. Ho sitrany anie ny hirako, fa izaho, dia i Iaveh no nataoko fifaliako.
Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Ry Jerosalema ô, mankalazà an’i Iaveh, ry Siôna ô, miderà ny Andriamanitrao. Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao, hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.
Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika; mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao! Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Fa Ianao irery, dia Ianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy. Ianao no manome aina an’izany rehetra izany; ary mitsaoka Anao ny tafiky ny lanitra.
I Iaveh no heriko sy fihirako; Izy no famonjena ahy. Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh.
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.
toriteny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.
«Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?
Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitr’i Israely, izay hany manao fahagagana!
Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.
Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay! Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»