Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 15:6 - Baiboly Katolika

6 Iaveh ô! nigagana noho ny heriny ny tananao havanana, Iaveh ô! nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ny tananao ankavanana, TOMPO ô, dia malaza amin’ny hery; ny tananao ankavanana, TOMPO ô, no manorotoro ny fahavalo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 TOMPO ô, malaza ho mahery ny sandrinao ankavanana, ka manorotoro fahavalo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 TOMPO ô, malaza ho mahery ny sandrinao ankavanana, ka manorotoro fahavalo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ny hery; Ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ny tananao ankavanana, TOMPO ô, dia malaza amin’ny hery; ny tananao ankavanana, TOMPO ô, no manorotoro ny fahavalo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 15:6
27 Rohy Ifampitohizana  

Asehoy ny hatsaram-ponao, Ianao izay mamonjy ny mifefy ao amin’ny tananao ankavanana, tsy ho azon’ny fahavalony.


Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».


Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iaveh mahery sy mahefa, I Iaveh mahery an’ady.


Nandroaka firenena Ianao tamin’ny tananao, hamponenana azy; nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.


Satria tsy ny sabatr’izy ireo no nahazoany ny tany, tsy ny sandrin’izy ireo no nahazoany fandresena, fa ny tananao ankavanana, ny sandrinao, ny fahazavan’ny Tavanao, satria tia azy Ianao.


Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.


Nahoana no avonkinao ny tananao, ny tananao ankavanana? avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!


Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony? Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà


Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.


Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.


Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?


Naninjitra ny tananao havanana ianao, dia nitelina an’ireny ny tany.


Ho resin-tahotra sy zoim-pahoriana izy ireo. Noho ny herin-tsandrinao, hanjary toa vato tsy mahahetsika izy ireo. Mandra-pandalon’ny vahoakanao, ry Iaveh ô, Mandra-pandalon’ny vahoakanao izay navotanao.


Notantarain’i Môizy tamin’ny rafozany avokoa ny nataon’i Iaveh tamin’i Faraôna sy ny Ejiptianina, noho ny amin’i Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dalana, ary ny namonjen’i Iaveh azy.


nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta, amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha ianareo rehefa afaka izany.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»


Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.


Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?


Nasehon’i Iaveh ny sandrin’ny fahamarinany, hiharihary eo imason’ny firenena rehetra. Ary ny faran’ny tany rehetra, hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.


izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay;


Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, - teny marin’i Iaveh; - tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»


ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.


hifehy azy amin’ny tehim-by izy, hanorotoro azy, toy ny vilany tany,


I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny; hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra