Isaia 51:9 - Baiboly Katolika9 Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Mifohaza, mifohaza! Ry sandrin’NY TOMPO, ka mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny, dia tamin’ny taranaka taloha ela! Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba sy nitomboka ny dragona? Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA9 Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny! Dia tamin’ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Mifohaza, mifohaza! Ry sandrin’NY TOMPO, ka mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny, dia tamin’ny taranaka taloha ela! Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba sy nitomboka ny dragona*? Jereo ny toko |
Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
«Indrisy, Tompoko, raha momba anay i Iaveh, ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va i Iaveh? Fa efa nafoin’i Iaveh mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tanan’i Madiàna».