Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 51:10 - Baiboly Katolika

10 Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin’ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana nalehan’ny navotana?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tsy Ianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny lalina lehibe ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ny olona navotana?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny hantsana lalimbe, ka nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana hiampitan’ny voaavotra?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny hantsana lalimbe, ka nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana hiampitan’ny voaavotra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, Dia ny rano ao amin’ny lalina indrindra, Ka nanao ny ranomasina lalina ho làlana halehan’ny navotana?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Tsy Ianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny lalina lehibe* ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ny olona navotana?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 51:10
20 Rohy Ifampitohizana  

Namonjy azy tamin’ny tanan’izay nankahala azy Izy, nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mpampahory azy.


Nambanany ny Ranomasina Mena, dia maina io, ka nentiny nita ny hantsana toy ny hamaky ny efitra izy ireo.


Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao, nanorotoro ny lohan’ireo biby goavam-be tao anaty rano.


Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany.


Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany.


Ny fahasoavanao no hitondranao ity vahoaka navotanao ity; Ny fahefanao no hitarihanao azy ho any amin’ny fonenanao masina.


I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.


Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.


ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.


Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.


Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao, ary ny navotan’i Iaveh no ho tonga ao indray;


Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana; hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy; hampanjariako nosy ny ony, ary homainiko ny farihy.


Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,


Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.


Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,› ‹Ny navotan’i Iaveh›; ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›, ‹Tanàna tsy foy› ».


Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.


Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho.


Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin’ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan’ny ony. Haetry ny avonavon’i Asiria, ary halàna ny tehim-panjakan’i Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra