Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 32:27 - Baiboly Katolika

27 Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra; moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Indro, Izaho no TOMPO, Andriamanitry ny nofo rehetra. Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

27 –Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 –Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Indro, Izaho no TOMPO, Andriamanitry ny nofo rehetra. Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 32:27
15 Rohy Ifampitohizana  

Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»


Mbola zavatra kely eo imason’i Iaveh anefa izany: hatolony eo an-tananareo i Moaba,


Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.


Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!


«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.


Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh nanao hoe:


Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? -


Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»


Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»


«Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.


Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»


dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.»


fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra