Apokalipsy 19:6 - Baiboly Katolika6 Ary nisy hoatra ny feon’olona marobe, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary sahala amin’ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: «Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Dia nandre feo ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, niteny hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no nampiorina ny fanjakany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA6 Ary nisy hoatra ny feon’olona maro, sy hoatra ny firohondrohon’ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 Ary nisy hoatra ny feon’olona maro, sy hoatra ny firohondrohon’ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Dia nahare feo tahaka ny an’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Jereo ny toko |