Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:15 - Baiboly Katolika

15 Izy no nahary ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahalalany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Tamin’ny heriny no nanaovany ny tany, tamin’ny fahendreny no nanorenany izao tontolo izao ary tamin’ny fisainany no namelarany ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny Sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny Ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Tamin’ny heriny no nanaovany ny tany, tamin’ny fahendreny no nanorenany izao tontolo izao ary tamin’ny fisainany no namelarany ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:15
28 Rohy Ifampitohizana  

Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina.


Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.


Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.


Fa niteny Izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra, izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;


Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony.


Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.


Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.


Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.


Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.


Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?


Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.


Ny tanako ihany no nanorina ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin’izay izy.


ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?


Izaho no nanao tamin’ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny teny sy ny olona mbamin’ny biby eto ambonin’ny tany, ary manome azy ho an’izay tiako.


«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.


Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:


Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany izy;


Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany.


Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,


Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!


«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra