Andriamanitra no nahary sy mpamelona antsika rehetra sy ny zavatra rehetra. Tsy manam-petra Izy, mandrakizay, ary tsy miovaova ny heriny sy ny hatsarany, ny voninahiny sy ny fahendreny, ny fahamarinany sy ny fitiavany. Tsy misy zavatra mitranga raha tsy amin’ny alalany sy araka ny sitrapony.
Araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy tahaka Anao amin'ireo andriamanitra, Jehovah ô; ary tsy misy asa tahaka ny Asanao. Ny firenena rehetra izay nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Jehovah ô, ka hankalaza ny anaranao. Fa lehibe Ianao sady manao fahagagana; Ianao irery ihany no Andriamanitra. Fa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana." (Salamo 86:8-10, 15).
Misy olona mieritreritra an'Andriamanitra ho toy ny fahatsapana tsy hay hazavaina, na ny niandohan'izao rehetra izao, na hery ambony tsy takatry ny saina. Fa eto isika miresaka momba an'ilay Andriamanitra ao amin'ny Baiboly, ary Izy no mamaritra ny tenany. Milaza Izy fa mandrakizay sy marina. Andriamanitra fitiavana Izy. Andriamanitra ambony tsy takatry ny saina Izy; midika izany fa mihoatra ny fotoana sy ny habaka ary ny tantara Izy. Kanefa, Andriamanitra akaiky antsika ihany koa Izy ka tsy afa-miala Aminy isika. Hita na aiza na aiza Izy, tsy miovaova, azo itokisana, ary tena misy.
Tsy manandrana manaporofo ny fisian'Andriamanitra ny Baiboly, fa efa miainga avy hatrany amin'ny maha-izy Azy. Andriamanitra no Mpamorona sy Mpitondra ny zavatra rehetra, lavorary amin'ny hery, ny hatsarana ary ny fahendrena. Andriamanitra dia fanahy, tsy manam-petra ary tsy azo tsapain-tanana. Misy amin'ny Persona telo miavaka Izy: Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Tsy manan-tsahala Izy, tsy miova ary hita na aiza na aiza.
Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
Satria ny trano rehetra dia amboarin’ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra.
Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa i Iaveh no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etỳ amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.
Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!
Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
Mitsangàna, ka mamirapiràta! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan’i Iaveh.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
«Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Any ianao hitady an’i Iaveh Andriamanitrao, ka hahita Azy ianao raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
Ianao, ry Iaveh, dia ao amin’ny fiketrahanao mandrakizay; ny seza fiandriananao maharitra amin’ny taona mifandimby!
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao! Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako. Izaho dia Izaho ihany no Iaveh ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh. Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany? Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra! Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!» Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. - Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina. Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao. Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko, ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy. Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely. Tsy mba nateranao ny ondrin’ny sorona dorana Aho, na nomenao voninahitra tamin’ny soronao akory. Tsy namesatra anao tamin’ny fanatitra Aho na nanasatra anao tamin’ny emboka manitra. Tsy lany vola namidy veromanitra ho Ahy ianao; na namoky Ahy tamin’ny saboran-tsoronao; fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao; nanasatra Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao. Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao. Ampahatsiarovy Aho; aoka hifandahatra isika. Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao. Nanota ny rainao voalohany, ary nivadika tamiko ireo mpanalalanao. Ka izany no nanonganako an’ireo loholon’ny fitoerana masina, nanolorako an’i Jakôba ho anatema sy i Israely ho fandatsa. Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.
Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy.
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra; Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida. Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy. Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro. Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe. Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako, mbamin’ny fitiavan’ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany. Ny andro mitory fiderana amin’ny andro, ny alina mampandre izany amin’ny alina. Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Ary nandalo teo anatrehany i Iaveh sady niantso hoe: «Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana; mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»
Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan’ny tendrombohiny masina, fa masina i Iaveh Andriamanitsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
I Iaveh no mpiambina anao, I Iaveh no fialofanao, eo ankavananao. Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin’ny andro, na ny volana amin’ny alina.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Kanefa masina Ianao, ary mipetraka eo amin’ny hiran’i Israely. Ianao no nitokian’ny razanay; natoky izy ka nanafaka azy Ianao;
Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily. Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.»
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ilay mpanompon’i Iaveh, Davida, izay nanao ny tenin’izao tononkira izao tamin’i Iaveh, tamin’ny andro nanafahan’i Iaveh azy tamin’ny fahavalony rehetra, sy tamin’i Saola. Hoy izy: Naletsiny ny lanitra dia nidina Izy; rahona matevina no teo ambanin’ny tongony. Nitaingina Kerobima Izy dia nanidina; nanidina nisononoka teo ambonin’ny ela-drivotra. Ny haizina no nataony fitoerany mangingina, ny lainy manodidina Azy dia rano maizina sy rahona manjombona. Niantoraka avy amin’ny fahazavana nialoha Azy ny rahona izay nitondra havandra mbamin’ny vainafo mivaivay. Nampikotrokotroka tany an-danitra i Iaveh, nampanakoako ny feony ny Avo indrindra; dia nisy havandra mbamin’ny vainafo mivaivay! Nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely azy ireo; nataony maro ny varany, ka nampifanaritaka an’ireny Izy. Dia niseho tamin’izay ny mason-drano, niposaka ny fanambanin’ny tany, noho ny teny mafy nataonao, ry Iaveh, sy noho ny fifofofofon’ny rivotra ny vavoronao. Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy nandray ahy, nisarika ahy avy tamin’ny rano be Izy. Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy, dia tamin’izay nankahala ahy, fony izy ireo mahery noho izaho. Nosovohin’ireny aho tamin’ny andron’ny fahoriako, fa i Iaveh kosa no mpanohana ahy tamin’izay. Tiako Ianao, ry Iaveh heriko!
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!
Raha efa izany dia hoy Andriamanitra: «Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.» Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Salamon’i Davida. Ianao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko, ry Andriamanitra ô! Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny. Noho ny Anaranao, ry Iaveh, dia hamela ny heloko Ianao fa lehibe izy. Iza no olona matahotra an’i Iaveh? Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny. Mandry amim-piadanana ny fanahiny, ary hanana ny taniny ny taranany. Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany. Mitodika any amin’i Iaveh mandrakariva ny masoko, fa Izy no hanafaka ny tongotro amin’ny fandrika harato. Jereo aho, ka amindrao fo, fa manirery aho, ka mahantra. Mihalehibe ny fahorian’ny foko, afaho amin’ny fahaporetako aho! Jereo ny fahoriana amam-pijaliako; ary avelao ny fahotako rehetra. Jereo ity hamaroan’ny fahavaloko, sy izato halozan’ny fankahalany ahy. Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian’ny fahavaloko aho! Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa Ianao no nametrahako ny fitokiako. Haharo ahy anie tsy fananan-tsiny amam-pahitsiana, fa Ianao no antenaiko. Ry Andriamanitra ô, afaho i Israely amin’ny fahoriany rehetra. Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko, ary miandry ny teniny aho. Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina, fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy.
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
Tahaka ny tendrombohitr’Andriamanitra ny hatsaram-ponao, toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsarànao. Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh, sy matoky Azy.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, atongilano ny sofinao amin’ny teny aloaky ny vavako.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,
Ny fara vazantany rehetra hahatsiaro sy hitodika an’i Iaveh, ary ny fokom-pirenena rehetra hiankohoka eo anatrehan’ny Tavanao.
Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.