Tiavina, fitiavana tsy manam-paharoa no atolotro anao, fitiavana mahery vaika izay mahavita mandrava ny sakana rehetra. Fitiavana madio sy feno fangorahana, vonona ny hanao ny zavatra rehetra ho anao. Tsy miankina amin'ny toe-javatra misy anao izany fa fitiavana avy amin'ny fo madio, avy amin'Ilay Masina izay nanome ny zanany lahitokana ho faty ho anao, mba hahafahanao mifandray Aminy toy ny fifandraisan'ny ray sy ny zanaka.
Talohan'izay, lavitry ny tarehin'ny Tompo isika noho ny fahadisoantsika sy ny fahalementsika. Kanefa, rehefa manaiky an'i Jesosy ao am-pontsika isika dia tonga zanany. Saroboy izay rehetra nataon'ny Avo Indrindra mba hihazonana anao eo akaikiny. Ankasitraho ny fitiavany tsy manan-tsahala ary miaina araka ny fahamarinana eo anatrehany.
Aoka ho zanaka reharehany ianao, ilay mahatonga Azy hitsiky avy any an-danitra isaky ny mahita anao. Tiavo Amin'ny fonao rehetra Izy. Matokia Azy, zarao Aminy izay mampanahy anao lalina, angataho izay ilainao, asehoy Azy ny fahalementsika satria tsy hitsara anao mihitsy Izy. Tiany ho fantatrao sy hankatoavinao mandrakariva Izy.
Ray mahafinaritra sy be fitiavana ary mahari-po Izy. Mananatra sy mampianatra antsika Izy nefa koa mahay manome valisoa ny asa tsara ataontsika. Na dia mahafoy anao aza ny ray aman-dreninao eto an-tany, aza matahotra fa tsy handao anao mihitsy Jehovah. Tsy irery ianao, eo anilanao Izy hiaro sy hikarakara anao ary hilaza aminao hoe: "Aza matahotra fa hanampy anao Aho."
Andriamanitra iray ihany no Ray ho an'ny olona rehetra, izay ambonin'ny zavatra rehetra, miasa amin'ny alalan'ny zavatra rehetra ary ao amin'ny zavatra rehetra. Efesiana 4:6.
ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany
Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
mba hiekenao ao am-ponao, fa toy ny ampianaran’ny olombelona ny zanany, no ampianaran’i Iaveh Andriamanitrao anao,
Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay,
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,
Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fontsika ny Fanahin’ny Zanany, ka miantso hoe: «Aba, Ray!» Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo, fa zanaka, ary rehefa zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»
Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.
Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy; fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry.
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!
Ianao anefa no Rainay; fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Israely tsy mahafantatra anay. Ianao, Iaveh, no tianay; Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.
Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy.
«Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»
Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: «Raiko! apetrako ao an-tananao ny fanahiko.» Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
ary nony efa nakarin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sy efa nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao.
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana. Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy. mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.»
Ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo, ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao; fa izay tian’ny Tompo no faizany, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?»
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina.
dia horaisiko ianareo, ka Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
Izany va no avalinareo an’i Iaveh, ry vahoaka adala, tsy manam-pahendrena? Tsy Izy va no Rainao sy Mpahary anao, Izay nanao anao sy nanorina anao?
Ary nandalo teo anatrehany i Iaveh sady niantso hoe: «Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana; mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray, Izay angalàn’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,