Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 1:12 - Baiboly Katolika

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 1:12
27 Rohy Ifampitohizana  

Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka Ianao, ry Iaveh, dia efa tonga Andriamaniny.


dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanaka lahy sy zanaka vavy ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.


Ary izaho nanao hoe: Ahoana no hametrahako anao, eo amin’ireo zanako, sy homeko tanim-pahafinaretana ianao, dia izay soa indrindra eo amin’ny firenena mba ho lovanao? ary hoy Aho: «Hiantso ahy hoe Raiko, ianao,» sady tsy hitsahatra ny hanaraka Ahy.


Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.


ary ny Jentily hitoky amin’ny Anarany».


Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.


Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy.


tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny.


ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa, ho antokony iray.


Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;


Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.


Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.


Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.


Satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.


Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.


Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;


fa efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.


Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fontsika ny Fanahin’ny Zanany, ka miantso hoe: «Aba, Ray!»


Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa.


dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.


Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.


Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.


Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.


Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra