Moa Andriamanitry ny akaiky ihany va Aho, teny marin’i Iaveh, - fa tsy mba Andriamanitra amin’ny lavitra koa? Misy olona mahay miery amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako? - teny marin’i Iaveh- Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va Aho? - teny marin’i Iaveh.-
Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy; fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan’ny mpanao tononkira sasany taminareo hoe: ‹Taranany koa isika.›
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Mijery i Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak’olombelona rehetra Izy; eny amin’ny fitoeran’ny fonenany dia tazaniny ny mponina rehetra amin’ny tany,
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa i Iaveh no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etỳ amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Dia hoy ny navalin’i Iaveh: «Ny Tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana ianao».
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Fa mitsinjo izay alehan’ny olona ny mason’Andriamanitra, ary hitany miharihary avokoa ny diany rehetra.
Raha miakatra any an-danitra aho, any Ianao, raha mandry any amin’ny Seoly aho, indro ao Ianao.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Tafasandratra ambonin’ny firenen-drehetra i Iaveh, mihoatra ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka an’i Iaveh Andriamanitsika? izay mipetraka any amin’ny avo, ary mitsinjo atỳ ambany, eny an-danitra sy etỳ an-tany.
Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana.
Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.»
Ho velona ireo, fa Ianao kosa maharitra, hihatonta toy ny fitafiana ireo; hanova azy toy ny lamba Ianao, ka ho voaova izy.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
Tsy mitoetra ao amin’izay trano nataon-tanan’olona anefa ny Avo indrindra araka ny voalazan’ny mpaminany hoe: Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»
Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, - teny marin’i Iaveh, - fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo - teny marin’i Iaveh. - Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany, ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
«Fa moa dia marina va fa miara-monina amin’ny olombelona etỳ an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin’ny lanitry ny lanitra tsy omby Anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity!
Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany. Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.
Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
ary tsy hataon’ny olona hoe: ‹Indro atỳ na arỳ izy›; fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.»
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo?
Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko, ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany; ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Mihambo hanakatra ny halalinan’Andriamanitra va ianao, sy hahatratra ny fahalavorarian’ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana? lalina noho ny fonenan’ny maty izany, ka inona no ho fantatrao? Ny fandrefesana Azy lava noho ny tany, malalaka noho ny ranomasina.
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
izay tenany, famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.
Fa i Iaveh no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.»
Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho! Nampisikina anao Aho, fony ianao mbola tsy nahalala Ahy; mba hahafantaran’ny olona, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!» Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.
Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.
Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy. Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
Tsy havelany ho tafintohina ny tongotro; tsy ho rendremana ilay miambina anao. Tsia, tsy rendremana na matory ilay miambina an’i Israely.
Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon’ny tendrombohitra. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy; mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.
Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao, ka ny onjan-drano aman-driakao dia mandalo manafotra ahy avokoa.
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra, mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.
Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.
Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao! Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako. Izaho dia Izaho ihany no Iaveh ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh. Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany? Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra! Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!» Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. - Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina. Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Andriamanitra! ...lavorary ny lalany. Ny tenin’Andriamanitra dia fantatra ho to; ampinga izy ho an’izay rehetra matoky azy. Fa iza no Andriamanitra raha tsy i Iaveh ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
Homeko fo hahalalany Ahy izy, hahafantarany fa i Iaveh Aho; ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Ary Ianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy, sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao. Alao hoatra ny ondry entina hovonoina ireny, ary atokàny ho amin’ny andro famonoana.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Ary hoy i Iaveh: «Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’i Iaveh, fa indro handalo i Iaveh.» Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan’i Iaveh; nefa tsy tao amin’ny rivotra i Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany i Iaveh. Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin’ny afo i Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
I Iaveh no mpiambina anao, I Iaveh no fialofanao, eo ankavananao. Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin’ny andro, na ny volana amin’ny alina.
Fa hoy ny navaliny: «Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika.» Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy. Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.
Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe: «Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh, ny tandroko nasandratr’i Iaveh, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho. I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny; hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.» Dia nandeha i Elkanà nody tany an-tranony any Ramà; ary ny zaza nijanona nanompo an’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, mpisorona. Ary ny zanak’i Helì dia olon’i Beliala, tsy nahalala an’i Iaveh akory; fa izao no fanaon’izy mpisorona tamin’ny vahoaka: Raha misy olona manatitra sorona, dia tamy ny mpanompon’ny mpisorona dieny mbola andrahoina ny hena sady mitondra fitrebika telo rantsana izy; dia atsobony ao anatin’ny vilany lehibe na nongo na vilany, na vilanin-daoka; ka izay rehetra azon’ny fitrebika avy ao, dia alain’ny mpisorona ho azy. Ataony toy izany avokoa ny Israelita tonga ao Silao. Mbola tsy voadoro akory ny sabora, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona, milaza amin’izay manatitra sorona hoe: «Omeo hena aho, hatsatsika ho an’ny mpisorona, fa tsy handray hena masaka aminao izy, fa ny mbola manta ihany.» Ary raha miteny aminy ny olona manao hoe: «Aoka aloha hodorana hanetona ny sabora, vao izay vao maka izay tianao ianao» dia valian’ity mpanompo manao hoe: «Tsia, omeo ankehitriny izao ihany, fa raha tsy izany dia halaiko ankehitriny.» Ka dia heloka be vava teo anatrehan’i Iaveh ny an’ireo zatovo ireo, satria nahatarika fanaratsiana ny fanatitra ho an’i Iaveh izany olona izany. Nanao ny fanompoana teo anatrehan’i Iaveh i Samoela, ary efôda rongony no natafiny ny zaza. Nanaovan-dreniny akanjo kely izy, nentiny ho azy isan-taona, rehefa miara-miakatra amin’ny vadiny izy, hanatitra ny sorona fanao isan-taona. Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh, fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy. «Mitenena amin’ny zanak’i Israely; aoka hiova lalana izy ka handroso hitoby eo anoloan’i Fihahirôta, anelanelan’i Magdalôma sy ny ranomasina, tandrifin’i Beelsefôna; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin’ny ranomasina.» Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy; maizina ny ilan’io rahona io; ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.
Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra, fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.
fa notanan’izy ireo nataony hoe: «Mitoera re atỳ aminay, fa efa hariva izao, efa mandrorona ny andro.» Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo. Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika, no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.
Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.
I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy: i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ao marina no honenan’i Iaveh ho antsika amin’ny voninahiny; ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe; izay tsy ho sahin’ny lakana voizina hidirana na iray aza, sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza. Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian’ny vatanareo; fa ambony noho ny hanina ny aina, ary mihoatra noho ny fitafiana ny tena. Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary na dia hanahy aza ianareo, iza moa no mahay mampitombo ny halavany iray hakiho akory? Koa raha ny kely indrindra aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny zavatra hafa?
Fa endrey izany halehibeazanao, ry Iaveh Tompo ô! Fa tsy misy tahaka Anao, tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Mitaraina amin’Andriamanitra Avo indrindra aho, ilay Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra ho ahy.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh.
I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,
Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao? Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin’ny fahafatesana, sy efa hitanao va ny varavaran’ny fonenana manjombona? Efa takatrao va ny halalahan’ny tany? Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao?
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Raha nanatrika ny fisainako izy, dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako; ka ho namerina azy hiala amin’ny lalan-dratsiny izy, sy amin’ny faharatsian’ny ataony.
Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany. Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.
iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.